TARATRY ny KANTO

Tontosaina isaky ny sabotsy voalohan’ny volana, ny atrikasa mahakasika ny sary, ao amin’ny Ivon’ny Kolontsaina Malagasy, na ny IKM eo Antsaha­vola. Nitarika, ny sabotsy teo, i R-Aly, mpanao tantara an-tsary sy sariitatra, izay mpanoro sy mpamolavola ireo tanora amin’ity seha-kanto iray ity. Manokatra ny lalana ho an’ireo izay liana amin’izany rahateo izy, indrindra ireo te hianatra ny tantara an-tsary.
Mbola “Mampirevy” sy “Manatosaka” i Samoëla. Ireo ny lohatenin’ny rakikira navoakany voalohany sy faharoa… Fa dia ireo hatrany no entin’i Samoëla sy ny tariny manavatsava ny tontolon’ny kanto hatramin’izao. Herinadro nialohan’ny seho tetsy amin’ny Piment Café Behoririka dia jifa ny tapakila ny alin’ny zoma lasa teo. Tosika ho an’ny seho goavana izay hotontosainy ny 6 avrily izao izany.
“Mba farafaharatsiny angamba, mihira fitia”, hoy ny tarika Telofangady. Nentina an-tsehatra ihany koa izany, ny sabotsy tolakandro teo, tetsy amin’ny Kariboltel Analakely. Netin-dry Rahaja sy ny tariny nitety vanim-potoana, tanatin’ny mozika gasigasy ireo mpankafy namaly ny antso. Efa nisy andiany efatra ny “Gasikara”, saingy tsy namelan’ireo mpankafy raha tsy natao ihany ny andiany voalohany, sy ireo maro nahafantarana ny tarika Telofangady.
“Mahiratra aho”. Notontosaina ny afakomaly teo, ny tontolo andro ho an’ny soratra mivoitra, teny amin’ny Cité des Cultures Antaninarenina. Nisy ny fandefasana horonantsary, fampirantiana ary atrikasa manodidina ny tontolon’ny soratra mivoitra, sy nanasongadinana ny maha zava-dehibe azy ho an’ireo olona manana olana amin’ny fahitana. Mbola hitohy ny tetikasa, ho fanampiana ireo mpiara-belona.

Partager sur: