FJKM – Tokantrano sy fitiavana : Ho an’ny rehetra ny « Vontom-pitia »

Tafiditra ao anatin’ny an­diany faha-6 ilay hetsika « Von­tom-pitia » fanaon’ny ko­mi­tin’ny fiainam-pianakaviana eo anivon’ny FJKM. Hanom­boka ny 10 febroary ka hatramin’ny 16 febroary, isaky ny amin’ny 12 ora atoandro ka hatramin’ ny 2 ora tolakandro, hisy ha­trany ny fandaharam-potoana hitondrana fampianarana sy fanampiana ho an’ny fiainan-tokantrano sy ny fiainam-pitiavana. Samy hahazo ny anjarany ny rehetra, satria, hivelatra amina sehatra maro ny lohahevitra.
Ny 10 febroary, Randria­mampianina Zo, Mpitandrina hitondra ny : « Mamonjy ny lehilahy ny tenin’Andriama­nitra » (Katedraly Analakely). 11 febroary, Dr. Ratsimandisa Zo, Mpitandrina : « Mamonjy ny vehivavy ny tenin’Andria­ma­nitra » (FJKM Ambato­mena). 12 febroary, « Ma­monjy ny Raiamandreny ny tenin’Andriamanitra », ho entin-dRazafiniarivo Fidison, Mpitandrina (Katedraly Ana­lakely). Ny 13 febroary, « An­kohonana manao ny Tenin’ An­driamanitra ho ivon’ny fiainany », Mpitandrina Trimozafy Dyna (Katedraly Analakely). Randriamisaina L Tromphe, mpitandrina hamelabelatra ny « Mamonjy ny mpivady ny tenin’Andriamanitra (Kate­draly Analakely). 15 febroary: « Mamonjy ny zanaka ny tenin’Andriamanitra » tanterahin’ny biraon’ny mpiandraikitra foibe (FJKM Atsimon’Ima­ha­masina). Ny 16 febroary, amin’ny 12 ora sy sasany, ny fikambanana Tokantrano Va­volombelona FJKM Mana­rin­tsoa no mikarakara ny « Sa­ham-pitia » eny amin’ny Es­pace Olympia Ampitatafika. Ny mpitandrina Irako Andri­amahazosoa Ammi, filohan’ny FJKM no hitondra ny dinika eny an-toerana.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: