Boky varoboba, ao amin’ny IFM Analakely. Hontotosaina rahampitso alakamisy ilay varotra amin’ny vidiny mirary ireo boky tontan’ny IFM. Manomboka amin’ ny 9 ora maraina izany, ka misy amin’ny kilao ary tsy ankifidy. Be mpiandry ity hetsika fanaon’ny IFM ity, satria ankoatra ny fandrisihana amin’ny vaky boky, fanavaozana ihany koa ireo ao amin’ny trano famakiam-boky izany.
Hifarana ny alahady izao ny fisoratana anarana amin’ilay fifaninanan-kira “En Chanson”. Mila manatona ny AFT Andavamamba ireo liana te hifaninana, rehefa mahafeno ny fepetra. Voalohany indrindra amin’izany, hira amin’ny teny frantsay no hifaninanana. Mila afaka ihany koa amin’ny fotoana hitsapana voalohany, ny 15 febroary izao.
Hampiaina indray ireo hiran’ny tarika Dadah R’Abel ry Tolotra, Kaloina, Nary ary i Erick Rason. Hotontosaina ny 14 febroary izao ity fiarahana ity, manomboka amin’ny 8 ora alina, eny amin’ny Makay. Tao anatin’ny tarika Dadah R’Abel nandritra ny taona maro i Nary sy i Erick Rason ary izao mbola manohy mampiaina izany hatrany izao.
Nizara ny traikefany tao amin’ny Jazz Club CGM Analakely i Fy Rajaofetra, omaly. Fantatra eo amin’ ny fifehezany ny vatamaroafitsoka ity mpanakanto ity, ary manaraka tarika sy mpanakanto maro. Manana fahalalana momba ny mozika amin’ny ankapobeny koa anefa izy, ary anisan’ireo efa nandalo tao amin’ny Jazz Club CGM. Tamberin’adidy no nataony, araka izany.