Fandrindram-piterahana: Mahasarika mpivady maro ny fanisana andro

Efa maro ny mpivady misafidy ny hanao fanabeazana aizana sy tonga manatona toeram-pitsaboana amin’izao fotoana izao. Antony mandrisika azy ireo hanao iza­ny ny fialana amin’ny fiterahana misesy eo anivon’ny tokantrano.

Maro ny fomba azon’ny mpivady atao amin’ny tontolon’ny fanabeazana aizana. Misy ny fihinanana fanafody sy fanaovana tsindrona eny anivon’ny tobim-pahasalamana. Fomba fanabeazana aizana iray tsy lefy laza ihany koa anefa ny fahaizana manisa andro. Ilaina fitandremana be eo amin’ny mpivady ny fanaovana io fomba natoraly io. Fana­beazana aizana manintona ny vehivavy maro ny fanisana andro, noho izy natoraly. «Tsy mila mampiasa fanafody na fitaovana hafa entina handrindrana ny fiterahana ka mety tsy hiteraka voka-dratsy ho an’ny fahasalamana ny antony hisafidianako azy io», hoy ny renim-pianakaviana iray nanontaniana. Mifototra amin’ny fikajiana ny andro mahalonaka ny vehivavy ny fanisana andro, raha ny fanazavan’ ny mpitsabo. “Tsy manao firaisana ara-nofo mandritra ny vanim-potoana mahalonaka fotsiny dia izay”, hoy izy. Voakasik’izany ny dimy andro mialoha sy dimy andro aorian’ny famokarana atodinaina na « ovulation ».
Anisan’ny lafy ratsin’ny fanaovana azy io ny fikorontanan’ny tsingerina eo amin’ilay vehivavy. Maro ny tsy tomombana rehefa mitranga eo amin’ny vehivavy izany. Anisan’ny miteraka olana hafa eo amin’ny mpivady ny mety hampipetraka tampoka ilay zaza nefa mba efa nanisa andro ihany. Antony mahatonga ny fikorontanana ny harerahana, ny tebiteby, sy ny maro hafa ma­hazo ilay vehivavy. An­ko­atra izay, tsy mety ihany koa ny fanaovana azy io raha toa ka tsy manaja ny fotoana maha lonaka ny mpivady.

Mazoto manao fanabeazana aizana ny vehivavy an-drenivohitra
Manodidina ny 57% ireo vehivavy tonga manatona toeram-pitsaboana hanao fomba fandrindram-piterahana eto Madagasikara, ny taona 2023, raha ny antontanisa voaray. Raha toa ka 43% ny taha ho an’ny taona 2021. Monina an-drenivohitra avokoa ny 52% manao fanabeazana aizana, raha ny fanadihadiana natao. Monina any amin’ny tontolo ambanivohitra kosa ny 44% amin’izy ireo. Voakasik’izany ireo tokantrano marefo sy mahantra. Misafidy ny hanao fanabeazana aizana moderina ny ankamaroan’izy ireo. Ny faritra Vakinankaratra sy Itasy ny faritra betsaka vehivavy manao fanabeazana aizana indrindra. Tafiditra ao anatin’ny taha ambany indrindra kosa ny faritra Anosy sy Androy. Tanjona ny hampitomboana izany ho lasa 60% amin’ny taona 2030. Anisan’ ny sakana tsy ahafahan’ny vehivavy hafa misitraka azy io ny tsy fitoviana amin’ny sehatry ny fidiram-bola sy ny fanabeazana ary ny fihaviana. Maro amin’ny lehilahy ihany koa ny tsy mankasitraka ny vadiny hanao io fomba fandrindram-piterahana io. Mata­hotra, araka izany, ny vehivavy ka tsy sahy manao izany sy tsy sahy manatona toeram-pitsaboana. Antony mampihena ny taha sasany, indrindra ho an’ny mponina any ambanivohitra izany.

Fanabeazana aizana mampiaty

Maro karazana ny fomba fandrindram-piterahana azo ampiasaina. Misy ny natokana ho an’ny vehivavy, fa eo koa ny ho an’ny lehilahy. Misy ny fomba maharitra antsoina hoe “implant”, maharitra telo taona eo ny faharetan’ny fanaovana azy. Eo koa ny DIU, maharitra 10-12 taona. Atao isaky ny telo volana ny tsindrona, hohanina isan’andro kosa ny pilina. Manakana ny famokarana atodinaina na «ovulation» ireo karazam-panafody ireo ary misoroka ny fitoeran-jaza.
Misy koa ireo natokana ho an’ireo olona tapa-kevitra ny tsy hiteraka intsony. Ho an’ny lehilahy, misy ny fanabeazana aizana antsoina hoe: «vasectomie». Amin’ny alalan’ny fanapahana na famatorana ny lalan’ny tsirin’aina. “Ligature” kosa ho an’ny vehivavy. Famatorana ny fantsona mitondra ny tsirinaina mankany amin’ny atodinaina. Marihina fa tsy afaka miteraka intsony ny vehivavy sy lehilahy atao ireo fomba fanabeazana aizana ireo.
Mety hampikorontana ny toe-batana ny fanafody, indrindra ho an’ireo vehivavy tsy mahazaka izany, raha ny fanazavan’ny mpitsabo. Ankoatra izay, mety hitarika aretina hafa any amin’ny tranon-jaza ihany koa izany. Nambaran’ny mpitsabo fa tsy mandaitra 100% ny fanafody na ny fitaovana fandridram-piterahana.

Nanatontosa : Mino

Partager sur: