“Fahano” : Gazety boky kristianina

“Fahano ny saina sy ny fanahy”. Izay no tena lohatenin’ity gazety boky vaovao ity. Gazety boky kristianina, izay noketrehina mba hahatonga ny Malagasy tia mamaky boky, andaniny, fa ho famelomana ara-panahy ny mpamaky amin’ny foto-pampianarana kristianina ihany koa, ankilany. ”Handrehatra ny finoan’ny tsirairay mba hiaina fa tsy ho velona fotsiny ary hampahalala sy hampifandray ny fiainana amin’i Kristy”, hoy ny nambaran’ny tonian-dahatsoratra, Rabenja Meva, nandritra ny fampahafantarana ny laharana voalohany tamin’ny gazety boky Fahano.
Ny Mpitoriteny, Mpitandrina, Mpanompo na ny 3M no namoaka ny Fahano. Hivoaka isan-telovolana izany, ary hanana pejy miisa 48. Karazan-dahatsoratra maro no voarakitra ao, izay mifototra amin’ny fanabeazana ara-tsaina sy ara-panahy, ankoatra ny fampianarana ny Baiboly. Hisy fampahalalam-baovao mahakasika ireo hetsika kristianina sy ireo orinasa tsy manohitra ny finoana ihany koa.

Zo ny Aina

Partager sur: