“Un jour, un artiste” : “Haboridana” ry The Dizzy Brains

Fomba fiteny ihany ny hoe « haboridana », saingy mahafehy ihany koa ny zavatra hitranga. Nosafidiana manokana amin’ny hetsika « Un jour, un artiste », karakarain’ny IFM Analakely ny The Dizzy Brains, tarika Malagasy mpanao rock, hany misehatra amin’ny tsenan’ny mozika iraisam-pirenena. Hotontosaina ny tontolo andron’ny 22 febroary izao io, manomboka amin’ny 10 ora maraina, mandra-pahavitan’ny seho.

Tetikasa novokarin’ny IFM, natao hanasongadinana tarika na mpanakanto iray izy ity. Nanomboka izany i Kristel tamin’ny taona 2019 sy i Gad Bensalem tamin’ny taona 2020. Niato noho ny toe-draharaha nisy, ary izao naverina izao indray izany.
Hofongarina, hofakafakaina, hampahalalana izay rehetra mahakasika ny tarika The Dizzy Brains amin’io fotoana io. Hampahalala ireo sanganasana mpanoratra izay nanovozany aingam-panahy i Eddy sy i Poun, manomboka amin’ny 10 ora maraina. Halefa hojeren’ny mpanatrika kosa ilay horonantsary “The Dizzy Brains”, amin’ny 2 ora. Niarahan’ny France Télévi­sion, ny Réunion Première ary ny 504 production namokatra sy nanatontonsa izy ity. Aorian’izay, hisy ny adihevitra malalaka, manodidina ny lo­hahevitra “Ny olana sedrain’ny rock, manoloana ny fivoaran’ny mozika eto Mada­gasikara”. Hanaraka avy eo ny “Kafe sy mozika”, hiresadresahana amin’i Eddy.
Amin’ny 5 ora hariva kosa ny fampisehoana izay tena andrasan’ny maro. Hisantatra ny andian-tseho voalohany ao amin’ny IFM io, no hanokatra ny taom-pampisehoana koa ho an’ny The Dizzy Brains.

Zo ny Aina

Partager sur: