RDJ Mozika 2024 : Amboara manokana ho an’i Thierra Bruno

Hetsika iray anisan’ny ahafahana mandrefy ny ezaka nataon’ny tarika na mpihira iray tao anatin’ny taona iray ny “RDJ Mozika”. Ireo mpitsara sy ny mpanaraka ny RDJ FM 96.6 no nanome ny isa.

Anisan’ny fotoana nampihetsi-po ny olona marobe tonga teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Imahamasina, omaly, ny nanomezana ny “Trophé d’Honneur” an’i Thierra Bruno, mpamoronkira, mpihira, mpitendry zavamaneno manana ny maha izy azy. Niara-nihira ilay sanganasany “Ity hirako ity” avokoa ny rehetra. Tao ny nanganohano, latsa-dranomaso… Thierre Bruno, mpanakanto nitana hatrany ny fahatsorana teo amin’ny famoronan-kira, hany ka mora ho an’izay maheno ny sanganasany ny mandray ireo hafatra mafonja tiany hampitaina.
Ho an’ny mpikarakara, na­nambara i Tahiana Rasolo­jaona, mpanorina ny RDJ fa “tany amin’ny 21 taona lasa no nametrahana fa andao hampandroso ny mozika malagasy. Tanteraka izany ankehitriny”.

“Hiran’ny taona 2024” ny “Colombian”

Nanakoako tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Imahamasina ihany koa fa “Hiran’ny taona 2024” ny “Colombian” an’i Basta Lion, Tribal Kush & Kybba. Nanamarika ny hetsika, omaly, i koa ny fanomezana amboara ireo mpanakanto notsinjaraina tao anatina sokajy 26. Anisan’ny nahazo izany sy tafiditra ho “Révé­lation” ho an’ny taona 2024 i Sanih. Sambany teo amin’ny “RDJ Mozika” no nisy ny sokajy “Reggae” ka i D-Lain tamin’ny alalan’ilay hira “Ho an’ny zanako” no nahazo izany. Teo amin’ny mozika “variété solo féminin” azon’i Annicette tamin’ny hira “Vita piqûre” ny amboara. I Henika kosa teo amin’ny hira fiderana. Raouto teo amin’ny sokajy “mozika populaire”.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: