Namaly ny antson’ny Magic Land ny ray aman-dreny. Tonga maro niaraka tamin’ny ankizy sy ny tanora izy ireo nandritra ny « Salon du loisir » notanterahina teny amin’ny CCI Ivato, ny faran’ny herinandro teo. Tamin’ny ankapobeny, nahazo tombony ny ankizy sy ny tanora tamin’ireo tolotra teny an-toerana. Anisan’ny fahafaham-po lehibe ho an’ny ray aman-dreny rahateo ny fahitana izany. Tanjona ho an’ny mpikarakara ny hananan’ny sokajin-taona rehetra fahafaham-po amina hetsika tahaka izao.
… Sady fivelarana no fampivondronana ireo mpikarakara hetsika fialamboly ny « Salon du loisir ». Vahaolana hoenti-mandravona ny fialamboly ao anatina toerana iray ihany koa, satria, saika hita teny an-toerana avokoa ireo lalao ahafahana mampifanerasera indray ny ankizy sy ny tanora ary ny lehibe.
Marihina fa andiany faharoa ity notontosaina teny amin’ny CCI Ivato ity. Anisan’ny fanirian’ny mpitsidika maro tonga teny an-toerana ny hanatanterahina ny « Salon du loisir » matetika.
HaRy Razafindrakoto