Vondrona mpamonjy voina Toamasina: Nahatratra 76 ny haintrano nanaovana asa famonjena

Maro ny haintrano novonjen’ny sampana mpamonjy voina ao Toamasi­na, ny taona 2024 sy ny 2025 diavina ity. Ankoatra ny haintrano, mandray an­draikitra amin’ireo loza eny anivon’ny fiarahamonina ko izy ireo.

Niavaka raha tena niavaka ny trangam-pirehetana tamina karazan-javatra maro teto Toamasina ny taona 2024 sy ny fiando­han’ny taona 2025. Nandrai­san’ny vondrona mpamonjy voina eto Toamasina anjara mavitrika avokoa izany. Ho an’ny haintrano aloha, nahatratra hatramin’ny 76 ny tranga novonjena, ny taon-dasa. Ny fiandohan’ny volana janoary ka hatramin’ny febroary ity, efa miisa sivy sahady izany ankehitriny. Ny tranon’ny lefitra konsilin’i Frantsa etsy Ampasimazava no nanokatra ny volana febroary. Kila tanteraka tsy nisy noraisina ny entana tao an-tokantrano fa dia lasa lavenona avokoa izy ireo. Niainga tamina fipoahana maotera mitondra herinaratra noho ny fahatapahan’ny herinaratry ny Jirama ny fi­rehetana. Miisa sivy kosa
ny firehetana ala ary saika
ao amin’ny orinasa mpanao savony mamboly ireo palmie no mateti-piseho izany, “Manome faritra hambolen’ ireo mpiasa ao aminy vary na zavatra hafa ny mpampiasa fa ireo mpiasa izay miasa ny tany kosa tsy mahay manao fiaro afo rehefa mandoro ny tanimboliny ka mitarika firehetana ala izany”, hoy ny kolonely Charles Désiré, raha nanazava. Ankoatra izay, nitrangana firehetana andrin-jiro imbalo teto Toamasina, raha miisa fito kosa ny fako nirehitra. Teo koa ny firehetan’ny “feu d’Hydrocarbure izay miisa efatra.Miisa telo kosa ny fiarakodia may. Efa mahatratra 98 ny trangana firehetana isan-karazany ankoatra ny haintrano. Manoloana izany, miasa mafy ny vondrona mpamonjy voina amin’ny fifehezana ny afo mba tsy hiitatra ka hanimba zavatra maro.

Manampy ny fiarahamonina

Tsy ny vonjy voina hamono afo ihany no ahafantarana sy ahitana ny andraikitry ny mpamonjy voina, raha ny angom-baovao avy eo ani­von’ny mpamonjy voina. Ho an’ny taona 2024, namonjy olona maty an-drano miisa efatra izy ireo. Niampy iray izany ny taona 2025, ity farany izay tranga vao niseho ny 30 janaory 2025 lasa teo. Ireny faty tsy misy fianakaviana maka ao amin’ny tranom-paty ireny koa efa tapitra fetr’andro hijanonana ao amin’ny tranom-paty, ny mpamonjy voina ihany koa no miantoka ny fandevenana ireo razana. Ho an’ny taon-dasa dia miisa telo izany. Mandray anjara amin’ ny fanadiovana tsena koa izy ireo ary nanao izay indimy miantoana ny taon-dasa.

Amin’ny maha mpamonjy voina azy izay, mandray anjara amin’ny fanampiana sy famonjena olona koa izy ireo. Miisa fito ny olona novonjena tra-doza ary enina ireo narovana teny amoron-dranomasina. Olona dimy, marary saina, no nosamborina ka naterina any amin’ny hopitalin’ny marary saina. Ilana fahaiza-manao avokoa izany fandraisana andraikitra izany ka mahatonga ny mpamnjy voina nanao fanazarantena intelo niaraka tamin’ny Simex. Manao izay ho vitany ny mpamonjy voina fa matetika olana ny tsy fahampian’ny solika. 3 080 litatra monja no nampiasaina nandritra ny taona 2024.

Avy amin’ny fipoahan’ ny herinaratra

Tsy nisorona teto ny kaomandin’ny mpamonjy voina Toamasina, ny kolonely Charles Désiré, nilaza fa ny 80 isan-jaton’ny haintrano teto Toamasina dia saika avy amin’ny fifampikasohan’ny tariby mitondra herinaratra ( court circuit). Misy ankolafiny kanefa izany fa tsy hoe ny Jirama no omena tsiny. Ny ankamaroan’izy ireny dia noho ny fampiasana herinaratra tsy ara-dalàna (branchement sauvage et illicite). Tsy mifanaraka amin’ny fitaovana ampiasaina ao an-tokantrano ny Tarif. Eo koa ny fifampizarana herinaratra tsy ara-dalàna isan-tokantrano. Vokany, miteraka haintrano goavana izany. Mahatonga firehetana ihany koa ny fahanteran’ny tariby mpitondra herinaratra ao an-trano, izay miteraka ny 5 isan-jaton’ ny fahamaizana. Avy amin’ny tandrevaka tsy fitandreman’ny olon-dehibe mametraka ankizy irery an-trano kosa ny 15 isan-jatony. Anisan’izany ny fipoahana tavoahangina gazy izay tsy voafehin’ny ankizy ny fampiasana azy.

Nohamafisin’ny vondrona mpamonjy voina hatrany fa anisan’ny olana mahatonga ny fihandronan’ny rano ny fanaovana trano eny ambony tatatra, fanariam-pako anaty tatatra. Raha tsorina, saika avy amin’ny vahoakan’ i Toamasina izay tsy manaraka ny fepetra apetraky ny kaominina ihany no mahatonga ny fahasahiranana rehefa avy ny orana ka miakatra ny rano.

Sajo

 

Partager sur: