Dina Mialinelina : « Tokotany midadasika hanehoana ny forona ny mozika »

Tsara toerana hibata ny “Prix Découvertes RFI 2025 » ny tarika Dina M. Efa manoritra ny lalany eo amin’ny tsenan’ny mozika iraisam-pirenena ry zareo.

“Rakemba”. Io ny lohatenin’ilay rakikiran’ny tarika Dina M, ni­voaka ny faramparan’ny taona 2024 teo. Malaza be, satria maneho ilay « renibe », izay mi­dika fahanterana, voky traikefa ary nahita karazam-piainana, izany. Tsy nosafidiana fahatany, fa mifanaraka amin’ilay tian’i Dina Mialinelina sy ny tariny voizina anatin’ny kanto hataony. « Tokotany midadasika ha­nehoana ny forona ny mozika izay nosafidianay. Tena misy fototra malagasy fa misy vina mitodika amin’izao tontolo izao ihany koa. Tsy mifidy ny mozika sy ny talenta fotsiny ianareo, fa mifidy ihany koa ny asa be sy ny finiavana tao ambadika tao », hoy ity mpanakanto ity, tao anatin’ny fanentanana na­taony tao amin’ny RFI.
Tsy tongatonga ho azy ihany koa ny nahatafidiran’ny tarika Dina M. ho anisan’ireo hiatrika ny famaranana «Prix Découvertes RFI 2025 ». Azo lazaina ho tsara toerana mihi­tsy aza ity tarika malagasy ity, raha jerena amin’ny fironan’ny mpankafy ny mozika miaina manerana izao tontolo izao. Na izany, mbola manantena ireo mpankafy ny tena mozika hanohana sy hifidy azy ny tarika, indrindra ireo mpiray tanindrazana hiantefan’ireo hira voalohany.
Nampiara-peo tamin’ny Olombelo Ricky sy nampiakariny an-tsehatra tamin’ny « Ma­nala azy », no nahatazanan’ny maro an’i Dina Mialine­lina. Efa nialoha be izany anefa no nilomano tao anatin’ny mozika ity mpanakanto ity. Ny taona 2018 kosa izy no tena nifantoka tanteraka tamin’ny mozika, araka ny fitantarany. Lehibe indrindra amin’ireo tetikasan’i Dina Mialinelina ity tanterahiny miaraka amin’ny tarika izay natsangany ity. Miray tsikombakomba aminy amin’ny fisedrana ny tsenan’ny mozika iraisam-pirenena ireo namany, ahitana an’i Hents Andriama­simana (gitara beso), i July Ratefy (vata maroafitsoka), i Kevy Rakotoarivelo (amponga ma­roanaka) ary i Tsanta Na­sandratra (feo fanampiny).
Etsy ankilany, efa nambaran’i Rija Randrianivosoa, nandritra ny fandalovany teto Madagasikara ihany koa, ny firosoan’ilay tetikasa Dina sy Rija, vokarin’ny Saïry Pro­duc­­tion. Mbola fanandratana ny mozika malagasy eo amin’ny tsena iraisam-pirenena hatrany izany. Efa mizotra mankany ny lalan’i Dina Mialinelina…

Zo ny Aina

Partager sur: