Andro maneran-tany ho an’ny teatra: Hisy fifaninanana iraisan’ ireo sekoly

Homena sehatra ny taninketsa. Izay no tanjona amin’ny fikarakarana fifaninanana teatra an-tsekoly. Hivoizana ihany koa ireo lohahevitra mila fanentanana amin’izao fotoana izao, izany.

27 marsa, Andro ma­neran-tany ho an’ny teatra. Anisan’ireo firenena maro manamarika izany isan-taona i Madagasi­ka­ra. Toy ny tamin’ny taon-dasa, mikarakara fifaninanana teatra iraisan’ireo sekoly ny minisiteran’ny kolontsaina sy ny serasera. Lohahevi-dehibe dimy amin’ity no hisafidianan’ireo mpifaninana, hanompanany ny sanganasany. Ny ady amin’ny kolikoly, zava-mahadomelina, doro tanety sy ny doro ala, ny herisetra hatao amin’ny ankizy ary ny fahatsiarovana ny tolom-panafahana 1947. Tafiditra hatrany ity lohahevitra farany ity isan-taona, noho ny fifandrifian’ny fanamarihana ny 29 marsa.

Entanina ireo sekoly isan-tsokajiny hanohana ireo mpianatra manan-talenta amin’ny fikarakarana an-tsehatra ao aminy. Entanina toy izany koa ireo mpianatra, mba haneho sy hanamafy ny talentany, amin’ny alalan’ny fifaninanana toa itony. Piesy teatraly 15 minitra no angatahina amin’ny tropy isan-tsekoly. Hatao amin’ny fiteny malagasy ny tantara. Raha hampiasa fanamafisam-peo na feon-kira anatin’ny tantara mandritra ny dingana fifanintsanana, mampilaza mialoha. Manana hatramin’ny 14 marsa ireo sekoly liana te hifaninana, hisoratana anarana. Ny herinandron’ny 17 marsa kosa ny fifanintsanana, ary ny herinandron’ny 27 mar­sa ny dingana famaranana.
Araka ny tapaka teo anivon’ny Unesco, any Rio de Jainero Bresil, ny fankalazana ofisialy ny Andro maneran-tany ho an’ny teatra amin’ity. Hitondra ny “hafatra 2025” kosa i Theodorus Terzopou­los, mpanofana, mpamorona ary mpitondra teatra any Grèce. Hadika amin’ny tenim-pirenena maro, izay manamarika ny Andro maneran-tany izany. Andrasana ihany koa ny mety ho hetsika karakarain’ny Fikambanan’ny mpanao teatra eto Madagasikara na FMTM manodidina izay fankalazana izay.

Zo ny Aina

Partager sur: