Ny mampahatsiahy, lazaina fa mamoha fota-mandry. Ny tsy milaza, ambara fa tia kinafinafina. Ho an’i Madagasikara manokana, mila tsiahivina sa tokony havalona ny tantara? Efa manana fomba fisainana vaovao ny Malagasy sasany, hany ka mahasadaikatra ny hafa ny hampahatsiahy ny tantara. Manana fomba fijery mivelatra ny Malagasy hafa, hany ka tsy mety aminy raha havalona fotsiny ny tantara ka tsy ho fantatry ny taranaka any aoriana.
Ankoatra ireo, anisan’ny firenena « very sy niova tantara » i Madagasikara. Ny very, mbola tadiavina. Ny novana, mila hahitsy. Mbola olana goavana ihany koa ireo. Na hita aza ny very, mbola misy manova indray aty aoriana. Izany hoe, nahitsy sy novaina. Antony iray tsy ahafahan’i Madagasikara hahita ny tena fandrosoana ireo.
Ho an’ny fianakaviana malagasy. Satrin’ny hafa tsy hivoaka ny marina amin’ny tantaram-pianakaviana, satria, manelingeliny azy. Ny sasany indray, aleo tsiahivina fa « isika, tahaka izao sy izao ». Antony mampisavoritaka ny fiainam-pianakaviana ankehitriny ireo.
HaRy Razafindrakoto




