Efa tarika Ny T-Vibe ankehitriny. Hizara an-tsehatra ny sanganasany, izay misarika mankany amin’ny jazz ry Tahinavibe sy ny namany.
“Ho doria”. Io ny anarana nampisalorana ny rakikira vaovaon’ny T-Vibe. Rakikira voalohany raha ho an’ny tarika, saingy efa fahatelo kosa raha ho an’i Tahinavibe Ramahefason manokana. “Hoentinay an-tsehatra ireo hira voarakitra ao sy ireo hafa koa, mba hizaranay ilay mozika hataonay. Sady tsy variété no tsy jazz, na dia mpanao jazz daholo aza izahay. Misy fironana mankany anefa rehefa an-tsehatra, satria sarihina hankafy ny jazz koa ireo tia mozika”, hoy ny nambaran’i Tahinavibe, nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety, omaly, tetsy amin’ny Centre académique de musique na ny CAM Ankadivato.
Hotontosaina ny sabotsy 15 febroary izao, manomboka amin’ny 3 ora, ao amin’ny Ivokolo Analakely, ilay fampisehoana. Haharitra ora iray sy sasany eo, hitondran’ny tarika T-Vibes ireo hirany ao anatin’ny “Ho doria” aloha, hiampy ireo taloha sy ny vaovao. “Te hivelatra amina mpijery, mpankafy mozika maro kokoa izahay. Matetika mantsy ny mpankafy jazz, vitsivitsy anaty toerana kely. Hosintomina hankafy jazz ry zareo satria somary lalaovina jazz kokoa ireo hira eny an-tsehatra”, hoy ny fanamafisana nataon’i Lova Ramahefason, mpitendry gitaran’ny tarika.
Manampy an’i Tahinavibe sy i Lova mandrafitra ny tarika T-Vibe i Lalaina Razafimaharo, eo amin’ny ampongamaroanaka. Samy mpampianatra mozika rahateo, ary niara-namolavola ny CAM izy telo miralahahy. Rehefa sehatra goavana toa io amin’ny sabotsy io, hanampy an-dry zalahy i Moria Randrianantenaina eo amin’ny gitara beso, Dads Rabe amin’ny zavamaneno ravaka ary i Jakina Tafitanjanahary eo amin’ny feo fanampiny.
Marihina fa amin’ny endriny clé Usb no namoahana ny rakikira “Ho doria”. Efa azo jifaina ihany koa ao amin’ny Moozik izany. Rakitsary avokoa izy 9, satria efa izay indray ny fironana amin’ny fanjifana ny mozika izao. “Tsy mba nisy mihitsy hoe clip ho an’ny mozika jazz izany, kanefa ilay hampitiavana azy no tanjona dia natao an’io. Marina tokoa fa misimisy ny vola lany taminy sady tsy natao hamerenana izany mihitsy ny seho, fa tena fizarana fitiavana, indrindra ny fitiavana mozika no hataonay”, hoy hatrany i Tahinavibe mahakasika izay.
Zo ny Aina