Hira fanevan’ny RNS : Nahazo voalohany ny Gasy Band

“Ambohipihaonan’ny Ma­la­ga­sy, Malagasy miketrika aty an-dafy…”. Izay ny fiandohan’ny hira vaovaon’ny Gasy Band. Io hira io no nahazo ny voalohany, ka hatao hira fanevan’ny fankalazana ny faha-50 taona nisian’ny “Rencontre nationale sportive” na ny RNS. Nifaninana nandritra izany koa ry Baomba Gasy, Lalah ary Bana, saingy ity an’ny Gasy Band ity no lany.
Hotontosaina ny 19 hatramin’ny 21 avrily izao ny “RNS 2025”, any Vichy, France. Fifaninanana ara-panatanjahantena ho an’ireo Malagasy monina any Frantsa sy ny manodidina ny niantombohany. Ambohipihaonan’ireo mpiray tanindrazana milaravinahitra any ivelany no tena tanjona amin’ny hetsika, na nivelatra tamina hetsika ara-javakanto sy kolontsaina ihany koa aza ny RNS taty aoriana.
Fotoana iray hanafaran’ireo “diaspora” tarika na Mala­gasy mpanakanto avy aty an-tanindrazana ireo telo andro manodidina ny fetin’ny Paska ireo. Mazava loatra fa hiverina any an-toerana izy efa-dahy mandrafitra ny Gasy Band. Efa fantatra ihany koa fa handray anjara i Njakatiana sy ny tariny, satria tafiditra anatin’ny andiam-pampisehoana hataony any Europe io. Sambany koa i Erick Manana sy ireo mpi­tendry namany any ivelany, tafiditra anatin’ny fandaharam-potoana. Hanampy azy ireo mpanakanto mpivoy ny gadona mafana, ahitana an’i Smaven, Elidiot, Gaei, Vaiavy Chila, ary Rijade, sns. Ankoa­tra ireo ny Malagasy mpanakanto vao misondrotra kanefa monina any an-toerana.

Zo ny Aina

Partager sur: