Fiarahana nanjakan’ny tena mozika. Samy nentin’ny mozika lavitra mantsy, na ny tarika T-Vibe teny an-tsehatra, na ireo mpijery nameno ny efitranon’ny Ivokolo Analakely, ny tolakandron’ny asabotsy teo. Fotoana nizaran-dry TahinaVibe sy ny tariny ny “Ho doria”, ilay rakikira vaovao an-tsehatra io. Nirona kokoa tamin’ny jazz, na dia karazan-gadona maroloko aza no mandrafitra ity rakikira ity. Tsy mahagaga ihany, satria mpitendry jazz ikoizana avokoa ny iray tarika. Na izany aza, niezaka nanasongadina ny Soul, Funk, ny Acapella, sns, nandritra ireo hira nalahatra ny T-Vibe. Misy vitsivitsy no hira efa taloha, fa ny ankamaroany, vaovao ho an’ny mpankafy.
Hita taratra ny fiarahana an-taonany maro sy matetika, ho an’i TahinaVibe (feo, piano saxophone), Lova Ramahefason (gitara) ary i Lalaina Razafimaharo (amponga maroanaka). Izy telo miralahy no fototry ny tarika, sy niara-nanatontosa ny rakikira. Nanampy teny an-tsehatra kosa i Moria teo amin’ny gitara beso, izay efa niara-dalana tamin’ny T-Vibe nandritra ny fandraisan’izy ireo anjara tamin’ny “Madajazzcar” farany teo, tany Toamasina. Teo ihany koa ry Dad’s Rabe sy ireo mpanao feo lafika, nanampy ny tarika nahalafatra ny seho.
Tontosa ny fanambin’ny T-Vibe, ny hizara sy hampivelatra ny mozikany ho an’ny tena mpankafy. Mbola nanamafy izany ny “Ho doria”, izay tsiahivina fa vita rakitsary avokoa ireo hira 9 mandrafitra izany. Tazana teny amin’ireo mpijery, izay nisy maromaro ny mpianatr’ireo mpanakanto teny an-tsehatra, ny fireharehana noho ny fahatomombanan’ny seho.
Zo ny Aina