Raharaha Anja: hiakatra fampanoavana anio ireo mpampiasa azy

Hiatrika ireo mpitsara mpanao famotorana ao Mia­rinarivo androany ireo olona telo voasaringotra tamin’ity raharaha ity.Isan’izany ireo mpivady nampiasa azy sy ny mpamily nitondra ilay vata-mangatsiaka. Vesatra hanenjehana an’ireto mpivady nampiasa azy ny fampiasana ankizy tsy ampy taona raha toa ka tsy nanana taratasy fahazoan-dalana mitondra razana kosa ny an’ilay mpamily. Tsiahivi­na fa tonga niakatra teto andrenivohitra ny 16 desambra lasa teo i Anja. Hiasa eny Ambohibao no nifanarahan’ny roa tonta. Tsy tamana anefa izy ka saika hody hoy ny filazan’ny Rakotondrasoa Fetra solombavambahoakan’ Miarinarivo.

Tsy nanaiky izany anefa ny reniny any Manazary. Tao­rian’izay, tsy salama ity tovovavy mpanampy ity ka noentina teny amin’ny hopita­lin’Anosiala. Ny 02 janoary teo, namoy ny ainy noho ny hasemporana izy saingy tsy nilaza ny vaovao tamin’ny reniny ireo mpampiasa azy sady nitondra ny razana nody tany Miarinarivo. Saika hitsena an’ilay zanany vavy ilay renim-pianakaviana saingy nofo mangatsiaka no hitany. Araka izany, taitra ny rehetra, tampoka tamin’ilay reniny koa ny zava-nisy ka nitarika tamin’ny tsy fahasalamany izany. Nisokatra ny fanadihadiana, voasambotra sy nanokafana famotorana ireo mpampiasan’i Anja. Nalevina ny zoma teo tao Manazary kosa ny nofo mangatsiakany.

Henintsoa H.

Partager sur: