Nanomboka ny 15 novambra 2024 lasa teo, fotoana nitokanana ny birao fandraisana sy fifandraisana ho an’ny vahoaka eny ifotony sy nitsidihina ifotony ny faritra hanaovana ny tohodrano, hatramin’ny alatsinainy 17 febroary teo, nandritra ny fifampiresahan’ny tomponandraikitry ny seraseran’ny tetikasa sy ny mpanao gazety etsy amin’ny trano fandraisam- bahiny Streamliner – Tanamakoa. “Tsy manana andraikitra hilaza fa hampiato na tsia ny delestazy, resaka teknikan’ny mpitsinjara herinaratra izany, fa ny CGHV kosa hanao ny anjara andraikiny ka hamokatra herinaratra hatramin’ny 120 megawats ary hatolotra ny Jirama izany, ity farany kosa no miandraikitra ny fitsinjarana ho an’ny mpanjifany araka izay voafaritry ny fitondram-panjakana”, hoy ny tomponandraikitry ny seraseran’ ny tetikasa.
Manana petra-bola ny fitondram-panjakana malagasy
Volabe no holaniana mandra-pahatonga amin’ny fotoam- pamokarana ka hahafahana mivarotra ny vokatra. Mitsinjara roa miavaka tsara ny vola hampiasaina ka manana anjara be indrindra, izay mahatratra 75 isan-jato, ireo Banques d’investissement manerana izao tontolo izao. Ivondronan’ ny banky mampitrosa vola ho an’ny tetikasa goavana maneran-tany izany, eo ihany koa ny fifanarahana amin’ireo orinasa misahana ny fanorenana fotodrafitrasa goavana tahaka izao. Fantatra koa fa ny eo anivon’ny fitondrana malagasy dia hitondra petra-bola hatramin’ny 20 isan-jato. Ny Afrika 50 kosa vonona amin’ny lafiny rehetra hanohanany ny firenena malagasy amin’ny paikady entina hampandroso ny firenena, indrindra ny fanorenana orinasa misy hiankinan’ny ain-dehiben’ny vahoaka sy ny firenena. Vokany, nambaran’ny tomponandraikitra hatrany fa raha nanaraka tsara ny tetiandro ny fandaharana ny taona 2024, mazava kosa ny laharam-pahamehana ny taona 2025 fa ny fampiharana ny drafi-pitantanana, resa-bola izany mazava ho azy, fantatra amin’ ity taona ity. Ny fahafenoan’ny teti-bola ampiasaina fa izay no antoky ny fanorenana ity farany, izay tombanana hiatomboka ny 2026 ary haharitra efatra taona na mihoatra kely ny fanorenana ny tohodrano lehibe izay ahitana turbine hilevina ambanin’ny renirano. Eo ihany koa ny famakiana lalana vaovao sy fanavaozana ny lalana efa misy teo aloha, fanamboarana tetezana. Hamafisina ny fandraisana mpiasa, ny tolobarotra isan-karazany, tohizana ny fifandraisana amin’ny vahoaka eny ifotony, ny fotodrafitrasa ho an’ny mponina izay efa soritan’ny bokinandraikitra.
Nirona amin’ny fambolena fary
Nandritra ny fidinana ifotony, akory ny hagagan’ny mpanao gazety fa tsy misy filaharan-drano akory any an-toerana fa saika ahitana bidao mavo maro entina lakana mivezivezy etsy sy eroa ary eny ampovoan-tokotanin’ny mponina tsirairay. Raha ny fanadihadiana, tsy dia ahitana tanimbary loatra iny kominina iny sy ny manodidina azy, ka lasa mamboly vary an-tanety, midika izany fa misy fanapahana sy fandoroana ala. 15 taona aty aoriana, niezaka niditra tamin’ny fambolena vanila sy jirofo ny mponina. Nandritra an’ireny valanaretina “Covid-19” ireny kosa, niakatra ny tahan’ny filan’ ny orinasa sy ny vondron’olona ny alikaola vita amin’ny fary. Vokany, nihazakazaka namboly fary ny mponina ka namadika izany ho alikaola “toaka gasy”.
Sajo