Minisitra Andriantsitohaina Naina: “Ento am-pahendrena ny fahefana…”

Mbola nampahatsiahy in­dray ny minisitry ny Fitsin­jaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, Andrian­tsitohaina Naina, omaly, ny amin’ny fitantanana ny kaominina. Nisy ny hafatrafatra sy toromarika nomeny ireo ben’ny Tanàna tany Fianarantsoa. Nanotrona ny fametrahana samboady ho an’ireo ben’ny Tanàna miisa 60 tao Fiana­rantsoa ny minisitra Andrian­tsitohaina Naina, omaly. Nambarany tamin’izany fa asa mafy ny miandry ireo mpitantana eny ifotony ireo. Nan­teriny fa ilaina amin’ny fitantanana ny kaominina. “Tsy izany ihany anefa fa ilaina koa ny fahendrena manoloana ny fahefana nomen’ny vahoaka anareo”, hoy izy.
Ankoatra izany, nandray ny ben’ny Tanànan’Antana­narivo, Ra­manantsoa Harilala, ny minisitra Andriantsitohaina Naina, afakomaly, tetsy Anosy. Nivoi­tra tamin’izany fa ­miara-dalana sy manohana ny CUA ny eo anivon’ny minisitera. Tafiditra ao anatin’izany ireo tetikasa sy fandaharanasa ho an’ny mponina eto an-dRenivohitra.

Fotodrafitrasa mitondra fivoarana sy fampandrosoana
Voaresaky ny roa tonta koa ny fandaharanasa vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola. Anisan’izany ny “Produir” sy ny tetikasa “Lalankely”, miainga amin’ny famatsiam-bolan’ny AFD. “Fotodrafitrasa mitondra fivoarana ho an’ny tanàna sy isitrahan’ny mponina tombontsoa ireny”, hoy ny minisitra. Nan­teriny fa eo anilan’ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana hatrany ny minisitera iadidiany ho amin’ny fanamafisana ny fampandrosoana.
Tsiahivina fa efa ben’ny Tananan’Antananarivo ny minisitra Andriantsitohaina Naina, nialoha ny nanendrena azy ho minisitra ka mahalala ny fitantanana sy ny momba ireo fandaharanasa fampandrosoana an’ity renivohitra ity.

Synèse R.

Partager sur: