Fambolena vary safiotra : Miantso fifampidinihana ny Malagasy Miara-Miainga

Miantso fifampidinihana momba ny fanaparitahana ny voly vary safiotra ny MMM. Tsy manohitra ny fanatsarana ny masomboly anefa izy ireo.

Mbola nampahatsiahy ny antso efa nataony. “Miantso izahay ny tokony hisian’ny fandinihana lalina momba ny voly vary safiotra na ny “Riz hybride”. Mikasa ny hanaparitaka izany eto Madagasikara ny fitondram-panjakana”, hoy ny filoha nasionalin’ny MMM, An­drianainarivelo Hajo, omaly. Nohitsiny fa tokony hisy ny fifampidinihana ho amin’ny fakan-kevitra amin’ireo tantsaha sy ny Malagasy manam-pahaizana, manoloana izany.
Nanteriny fa tsy manohitra velively ny fanatsarana ma­somboly izy ireo. “Tokony hojerena kosa ireo fikarohana maro samihafa efa natao sy ny traikefa efa ananantsika Malagasy mba tsy hiteraka fahasahiranana hafa indray”, hoy izy.
Tsiahivina fa vao avy nihaona tamin’ireo mpikambana MMM any Eoropa sy ny fikambanana Soa i Mada­ga­sikara ny filoha nasionalin’ny MMM. Nifampizara sy nifanakalo hevitra tamin’izy ireo ny tenany manoloana ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana izao. Voaresaka ny fananana harena eo an-tananan’olom-bitsy nefa ny mponina miaina anatin’ny fahantrana lalina tanteraka. Eo koa ny tsy fanajana ny lalàna sy ny Lalàmpanorenana… “Tena tsy azo ekena intsony izany rehetra izany”, hoy izy ireo. Voatanisa amin’izany ny fisamborana ireo nitaky ny rariny sy ny zony manoloana ny fivadihan’ny voka-pifidianana tany Vatomandry sy An­tsiranana ary koa ny kaominina hafa. “Rahoviana no ho­samborina ireo nangala-bato sy namadika voka-pifidianana… Takinay ny hamotsorana ireo mahery fo sahy nijoro sy niady ho an’ny tany tan-dalàna nefa nosamborina”, hoy izy ireo.

Synèse R.

Partager sur: