FANTINA sy FINTINA

Nambaran’ny minisitra Andriantsitohaina Naina, tany Ambositra, tamin’ny fametrahana samboady ireo ben’ny Tanàna fa ilaina ny haitarika na kely aza ny hoenti-manana. “Ny fitondrana fanavaozana sy ny fahaizana mitantana no soritra hita voalohany amin’ny fomba fiasa. Ilaina sahy amin’ny fanapahan-kevitra ary tokony ho hentitra sy marina”, hoy izy ny zoma teo.

Mitaky fanadihadiana matotra ahalalana ny marina ny amin’ny tifitra nahafaty ny ben’ny Tanànan’i Mangataboahangy ny loholona, Rakoton­drazafy Lalatiana. “Ho hita eo ny tena marina na asan-dahalo, na resaka politika na antony hafa ny ao ambadiky ny tifitra nahazo azy”, hoy izy.

Misahana ny fitantanana vonjimaika ny CSI, ny Me Ratsirahonana Lala, manomboka izao. Efa tapitra araka ny filankevitry ny minisitra ny 19 febroary teo ny fe-potoam-piasan’ny mpitantana teo aloha, Rabenarivo Sahondra. Tsiahivina fa mediatioran’ny Repoblika sady mpikambana eo anivon’ny CSI ihany ny mpisolo toerana vonjimaika.

Hidina ifotony hijery ny tetikasa momba ny sakafo ny sekretera jeneraly lefitra eo anivon’ny ONU sady mpandrindra ny hetsika ho an’ny sakafo (SUN), Afshan Khan. Hatramin’ny 26 febroary izao ny delegasionina miaraka aminy no eto amintsika ka hihaona amin’ny mpikamban’ny governemanta sy ireo mpiara-miombona antoka eto an-toerana.

Partager sur: