Manana kolontsaina sy zavakanto tsy tambo isaina ny Malagasy. Nisy ihany anefa vanim-potoana « nampilentika » azy ireny. Notadiavina ny very, saingy, izay kely hita, nomena ny todi-damosina. Ny maro voatazona, anefa, hafahafa fivoaka !
Hira, tsy misy manana ny ananan’i Madagasikara. Fomba amam-panao, miova isaky ny 50km. Ny teny ibeazana, tsy tambo isaina ampiasaina isam-paritra, sns. Na maro tahaka izany aza ny kolontsaina sy ny zavakanto misy eto. Tsy misy lanjany manoloana ny tompony. Mbola mila beazina ny Malagasy. Lehibe indrindra amin’izany ny fampahafantarana fa azy ireny kolontsaina sy zavakanto, fomba amam-panao ireny. Noho izany, mila omeny hasina. Mila iainana fa tsy terena ankolaka na mivantana ho vakoka.
Mozika klasika efa tany amin’ny taona 1700, mbola tian’ny vahiny miaina amin’izao, satria, fantany tsara fa azy. Hainy tsara fa manana fiantraikany amin’ny fiainany ny fihainoana izany… Ny an’ny Malagasy, hira tamin’ny taona 1956, raha vantany vao henon’ny sofiny : «hiran’antitra izany» ! Satria, difotry ny lainga sy ny atsanga tsy aman’orana ny Malagasy ka nino avy hatrany fa sokajiana araka ny taona nipoirany ny hira.
Nahazo soa maro raha nahay…
Raha nitohy, anefa, ny fanabeazana ny Malagasy momba ny hira. Fantany sy niainany tsara fa mirakitra zava-panahy goavana be io zavakanto iray io. Hainy tsara fa tsy natao ho fampandihizana fitombenana ny hira. Notanterahiny niaraka tamin’ny hira ny fangatahana amin-Janahary izay hahasoa ny fiarahamonina misy azy, sns. Raha mitohy ny fahaizan’ny Malagasy ny hasin’ny teny. Mbola afaka tsara nitafa tamin’ireo fanahy hafa ankoatra ny azy izy. Mbola afaka nifehy zavaboahary maro (tany, biby, hazo, rano…) ihany koa.
… Izao vanim-potoana izao no mila hanehoana fa manana ny kolontsainy sy ny zavakantony ary ny fomba amam-panaony ny Malagasy. Io fahitana io no tsy ampy amin’ny taranaka ankehitriny ka mahatonga azy ireo hanao rapadango ny an’ny vahiny.
HaRy Razafindrakoto