Mamita iraka eto amintsika ny eo anivon’ny Banky iraisam-pirenena misahana ny fampandrosoana ny tanàn-dehibe, tarihin’i Catalina Marulanda. Noraisin’ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, Andriantsitohaina Naina, izy ireo, omaly, tetsy Anosy.
Hijery ny fampiharana ny tetikasa Produir, fampandrosoana ny tanàn-dehibe ireto delegasionina ireto. Eo koa ny tombana amin’ny fahavitan’ny dingana faharoa amin’izany tetikasa izany sy ny fitantanana ny fako ho an’Antananarivo sy ny manodidina “Grand Antananarivo”. Voaresaka tamin’izao fihaonana izao ny fanohanana ny fitantanana ny fananantany an-tanàn-dehibe sy ny fitantanana ny loza voajanahary. Efa miroso ho amin’ny fankatoavana ny fanohanana ireo tanàn-dehibe sokajy faharoa koa ny eo anivon’ny Banky iraisam-pirenena ka iarahana miasa amin’ireo minisitera samihafa sy ny eny amin’ny vondrom-paritra itsinjaram-pahefana izany.
Etsy andaniny, nanatanteraka atrikasa fakan-kevitra teo anivon’ny koamitim-paritra momba ny fanajariana ny tany, tao amin’ny kaominina Ambovombe, renivohitry ny faritra Androy, ny iraky ny minisitera, MFFT, ny herinandro teo.
Hanarahana ny fenitra sy ny hetaheta eny ifotony
Nentina nanangonan-kevitra an’ireo mpiara-miombon’antoka sy mpiantsehatra ary ny sampandraharaham-panjakana ao amin’ny faritra Androy. Natao izany mba hanarahana ny fenitra sy ny hetahetan’ireo miasa eny ifotony ka hifandraika amin’ny zava-misy eny anivon’ny kaominina.
Eo koa ny hampifanarahana izany amin’ny politikam-paritra sy isan-tsehatra ary indrindra ny an’ireo mpiara-miombon’antoka ho fanatanterahana ny drafi-panajariana ifotony amin’ireo kaominina miisa valo. Anisan’izany ny any amin’ny kaominina ambanivohitr’i Beloha, Tsihombe, Tranoroa, Betanty Faux Cap, Ambondro, Antanimora Sud, Andalatanosy, Ampamata.
Synèse R.