Naneho hevitra momba ny vinan’asan’ny ben’ny Tanànan’Antanananarivo Renivohitra ny RTM, omaly. Hanohana izany izy ireo raha mitera-bokatsoa, araka ny nambarany.
“Manohana ny vinan’asa izahay, raha ohatra mitera-bokatsoa ho an’ny tanàna sy ny mponin’Antananarivo”. Io ny fanehoan-kevitry ny mpanolotsaina monisipaly eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra avy amin’ny antoko Refondation totale de Madagascar (RTM), Raharijaona Jean François, teny Analakely, omaly. Raha misy ny vinan’asa kasain’ ny ben’ny Tanàna hatao ka mifanaraka amin’ny vinan’asa nandresen’ny RTM lahatra ny mponina tamin’ny fampielezan-kevitra, mifanitsy amin’izay neritreretin-dry zareo izany: tokony hotohanana. Raha misy ny mifanipaka amin’izany, tsy isalasalana ny fanoherana azy. Tsy olona no toherina, fa ny hevitra hitondrana ny tanàna. Ekena raha mety; raha tsy mety, tsy hajabaka amina zavatra tsy mandeha araka ny tokony ho izy ny tanàna sy ny mponina.
Baben’ny taranaka sy ny mponinan’Antananarivo ny fanapahan-kevitra raisina indray mandeha. Farafahakeliny dimy taona izany, fa mety hobabena ao an-taona maro mifandimby. Ilaina marina sy matotra ny fanapahan-kevitra. Misolo tena ny mponina ny mpanolotsaina monisipaly. Mpanolotsain’ny tanànan’ Antananarivo, fa tsy mpanolotsain’ny ben’ny Tanàna. Samy hafa izay. Raha ny lalàn’ny maro anisa, raha misy zavatra tsy eken’ny mpanohitra amin’ny fanapahan-kevitra raisina: tsy tafita izay rehefa atao ny fanapahan-kevitra farany. Na izany aza, adidin-dry zareo ny maneho hevitra amin’ny alalan’ny haino vaky jery amin’ny fampitana ny fanapahan-kevitry ny mpanohitra. Mba hahafantaran’ny mponina izay tompon’antoka tamin’ny fanapahan-kevitra noraisina izany.
R. Nd.