Minisitra Andriantsitohaina Naina: “Hamoraina ny fampiasam-bola amin’ny famokarana”

Nandray ny fikambanan’ny Indostria “Association de l’industrie malgache – AIM” ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsitohaina Naina, omaly, tetsy Anosy. Voaresaka ny fiaraha-miasan’izy ireo amin’ny minisitera.

Anisan’ny fanambin’ny MFFT ny fampiroboroboana ny sehatry ny fambolena mitodika amin’ny indostria. Voaresaky ny roa tonta ny momba ny tany fambolena anisan’ny andry iankinan’ny fampandrosoana ny toekarena. Anisan’ny manana anjara toerana eo amin’ny fanajariana ny tany ny eo anivon’ny minisitera ary miantoka ny fiarovana ny velaran-tany fambolena, eo amin’ny fananantany. Nambaran’ny minisitra, tamin’izany, fa manana andraikitra amin’izany ny minisitera iadidiany. “Hamoraina ny fahafahan’ireo mpampiasa vola mamokatra sy maharitra. Eo koa ny fampifandraisana izany amin’ireo mpamokatra eto an-toerana sy ny fitohizan’izany amin’ny sehatra hafa”, hoy izy.
Tafiditra ao anatin’izany koa ny fampiroboroboana ny fampandrosoana mitovy eo amin’ny tontolo ambanivohitra sy ny an-tanàn-dehibe, araka ny nambarany. Nanterin’ny minisitra fa hapetraka ny fiaraha-miasa eo amin’ny fanjakana sy ireo misehatra amin’ny fambolena mitodika amin’ny indostria. Anisan’ny andry iankinan’ny toekarena izany ary hirosoana ny fiaraha-miasa eo amin’izy ireo sy ny fanjakana. Hahatongavana amin’ny fa­mo­ronana asa sy ny firosoana ho any amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Hampiro­boro­bo­ina ny sehatry ny famokarana anatiny sy ny fidirana eo amin’ ny tsena iraisam-pirenena.
Araka izany, hitondra fivo­arana sy fampandrosoana fiaraha-miasa eo amin’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina, ho amin’ny fampiroboroboana ny fambolena mitodika amin’ny indostria, anaty rafitra mazava.

Synèse R.

Partager sur: