Antenimieran’ny varotra sy indostria Atsinanana : Tsy hialan-dromoromo sy fitakian’ny mpiasa

Anisan’ny sampandraharaham-panjakana fa saingy ny tsy miankina no mandrefy sy mandidy amin’ny An­tenimieran’ny varotra sy ny indostria eto Madagasikara.

Raha tsorina dia misy rafitra roa eo anivon’ity sampandraharaha ity ka ny rafitra voalohany dia ireo solontenan’ny vondrona mpandraharaha, tarihin’ny filohany, manana lefitra. Miampy ireo mpanolotsaina miisa 30 mandrafitra an’ izany, solontena avy amin’ny vondrona nandray anjara tamin’ny fifidianana. Ireo no solombavambahoaka mpandraharaha anivon’ny Antenimieran’ny varotra. Ny rafitra faharoa kosa dia tarihin’ny tale jeneraly, ity farany izay notsongaina tamin’ny alalan’ny antso ampahibemaso fandraisana mpiasa “offre d”emploi”, ka ny mpikambana maharitra tarihin’ny filohany no misafidy izay ho tendrena arakaraka ny fahaiza-manaon’ny mpirotsaka nandefa antontan-taratasy ho amin’ny toeran’ny tale jeneraly. Ity farany no mitarika ny mpiasa mpanatanteraka, mikirakira ny karaman’ny mpiasa sy ny fampidiram-bola, ny famoahana, ny fampitaovana, ny maha olona. izay nahavoatendry an’ i Todisoa Francis.
Ankehitriny, vao roa taona monja no niatombohan’ny filoha am-perinasa, i Kotonirina Robert, mitarika ny rafitra mpanao lalàna eo anivon’ny Antenimieran’ny varotra sy indostria Atsinanana, efa raikitra indray ny fitokonan’ny mpiasa, ny talata 18 Febroary lasa teo. Taitra ny filoha sy ireo mpikambana mandrafitra ny mpanao lalàna raha nahita ny varavarana nikatona, nofatorana ronjo vy. Efa nirafidrafitra ny sorabaventy, maneho ny fitakiana sy tsy fankasitrahana ny paikady havoakan’ny fivoriambe hotarihin’ny filoha sy ny mpikambana mandrafitra an’izany, miisa 15 fotsiny, tsy ampy ny isa tena ara-dalàna. Fantatra mantsy fa hisy fivoriambe hankatoavana ny fanesorana ny tale jeneraly ny andron’io ka izao nisehoana romoromo sy korontana izao.

Nampiditra vola 1 miliara sy 500 tapitrisa Ariary
Nambaran’ireo mpiasa fa tao anatin’ny 15 taona, sambany vao izao, roa taona izay, no nahazo karama tsy tapaka isam-bolana ny mpiasa, miampy tombontsoa madinidinika izay tokony ho anjaran’ny tsirairay. “Aminay mpiasa dia mahay mitantana mpiasa io tale jeneraly io, tsy voabaikon’ ireo mpanao lalàna izy amin’ny famoaham-bola tsy ara-dalàna ka mahatonga azy ireo mitady ny fomba hanesorana azy. Betsaka ny sora-bola na faktiora tsy ara-dalàna sy lazaina fa asa vita ka tokony hefaina. Tsy resy lahatra ireo mpitsentsitra ny volan’ny An­tenimieran’ny varotra ny tale jeneraly ka hoesorina”, hoy ireo mpiasa nitafa tamin’ny mpanao gazety. Nohama­fi­sin’ny solontenan’ny mpiasa hatrany fa sambany tamin’izao vao nahazo tale jeneraly mahay mitantana sy tsy miray tsikombakomba amin’ny mpanodinkodim-bolam-panjakana ny Antenimieran’ny varotra sy indostria Atsinanana. Nan­dri­tra ny fitantanany, roa taona izay, nahatafiditra vola 1 miliara sy 500 tapitrisa Ariary ny Antenimieran’ny varotra sy indostria Atsinanana. Noha­mafisin’ny valandresaka na­taon’ny tale jeneraly, Todisoa Francis, izany. “Mahita ry zareo fa misy vola 1 miliara sy 500 tapitrisa Ariary niditra tao anatin’ny roa taona ka betsaka ny mitondra faktiora amiko, milaza fa misy asa vita etsy, misy entana novidiana aroa, saika zavatra tsy ara-dalàna daholo nefa ireny. tsy ekeko, volam-panjakana io, ilàna zavatra matotra ny famoahana azy. Faharoa, misy mpiasam-panjakana ato ka izay tsy mifanaraka amin’ ireo te hangalatra volam-panjakana dia hafindra toerana, tsy ekeko izany”, hoy ny tale jeneraly.

Manakantsakana ny fanatanterahana ny asa

Tontosa ny fivoriambe nakana ny fanapahan-kevitra mahakasika ny fanesorana ny tale jeneraly tamin’ny isan’ny mpivory 22 tonga nanatrika. Anisan’ izany, voaisotra ny tale jeneraly, araka ny fanapahan-kevitry ny maro anisa. Nambaran’ny filohan’ny Antenimieran’ny varotra sy indostria Atsinanana, Kotonirina Robert, fa fanapahan-kevitry ny maro anisa io, na izany aza, tsara ny asa fa saingy saika sakantsakana amin’ny fanafainganana ny asa fampandrosona ho an’ny faritra, indrindra ireo mpandraharaha izany. Roa andro nitokonan’ny mpiasa, efa an-jatony ny antontan-taratasina mpandraharaha tokony hanondrana sy hamoaka entana ao amin’ny seranan-tsambo no nikatso.

Mateti-pitranga ny fitokonana
Raha tsiahivina dia anisan’ny sampandraharaham-panjakana, tantanin’ny tsy miankina, ahitana trangana fitokonana matetika ny Antenimieran’ny varotra, raha tsy hilaza afa-tsy ny taona 2012. Taona nisehoan’ny fitokonana lavareny tamin’ny fanesorana ny filohan’ny “comité ad’Hoc” Mandraina Felix. Nalaza tamin’ izany fotoana ny hoe “tsy misy miala eo”. Nikatso nadritra ny fotoana lavalava ny Antenimieran’ny varotra. Niseho ihany koa izany ny taona 2016, fitakiana karama indray kosa no nahatonga ny fitokonana, naharitra herinandro maromaro. Ho an’ny ekipa amin’ izao fotona izao, efa savorovoro ny nahatongavana teo. Ny 12 janoary 2024, ohatra, raha hanatanteraka fivoriambe voalohany hisafidianana ny filoha sy ny mambra ary ny mpanolotsaina, efa sakoroka.

Nanatontosa : Sajo

Partager sur: