Samifin – Ady amin’ny kolikoly : Misokatra ny fandraisana tale jeneraly vaovao

Manakaiky ny faran’ny fe-potoam-piasana, 2021-2025, ny tale jeneralin’ny Sam­pandraharaha misahana ny ady amin’ny famotsiam-bola (Samifin) amin’izao, Rajao­nari­son Mamitiana. Nosoka­fan’ny Komity mitandro ny fahitsiana (CSI) tamin’ny tambojotran-tserasera, omaly, ny dingana fandraisana tale jeneraly vaovao amin’izany. Ani­san’ny antoky ny fahaleovantenan’io sampandraharaha io ny fomba fandraisana ny tale jeneraly. Antoky ny fitondrana tsara tantana ny fizotry ny fiantsoana sy ny fifidianana mialoha ny fifidianana ataon’ny komity fanjakana sy tsy miankina, alohan’ny fifidianana faran’ny filohan’ny Repobli­ka. Araka ny lalàna, komity manokana manaja ny maha solontenan’ny mpisehatra amin’ny fanjakana sy tsy miankina amin’ny ady amin’ny kolikoly azy no hatsangan’ny CSI.
Mpikambana ao amin’izany ny solontena avy amin’ny CSI, ny fiadidiana ny Repoblika, ny Primatiora, ny minisiteran’ny Fitsarana, ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka, ny Zandarimariam-pirenena, ny Banky foiben’i Madaga­sikara, ny Fikambanana matihanin’ny banky.
Manaraka dingana fanamarinana henjana ny fomba fandraisana ho an’ny tale jeneralin’ny Samifin. Ahitana fanadihadiana momba ny fitondran-tena izany. Na tsy takin’ny lalàna aza, miparitaka mandritra ny 30 andro ny fiantsoana ny fangatahana mba hanomezana fahafahana nasionaly sy fahafahana mitovy amin’ireo kandidà. Ha­tramin’ny 27 marsa ny fe-potoana fametrahana ny antontan-taratasy firotsahana.

R. Nd.

Partager sur: