“World Cola PFL” : Hafana ny lalaon’ny Fosa Jr sy ny AS Fanalamanga

Hotontosaina amin’ity faran’ny herinandro ity, ny andro fahadimin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baoliana kitra “World Cola PFL”. Anisan’ny fifanandrinana tena heverina ho toy ny famaranana ny lalaon’ny Fosa Juniors Boeny sy ny AS Fanalamanga. Hotontosaina eny amin’ny Kianjan’ny CFFA Iavoloha, ny sabotsy ho avy izao. Araka ny fikarohana natao, adin’ny samy klioba goavana izy ity.
Tsara ny mampahafantatra fa mitazona ny laharana voalohany ny AS Fanalamanga, manana isa 10, faharoa, ny Fosa Jr, mitana isa 7. Marihina fa mbola manana lalao tsy ampy iray ity klioba avy any Boeny ity. Ampahatsiahivina fa ireto klioba roa ireto efa nifandona nandritra ny famaranan’ny fifaninanana nasionaly, ny taona 2023. Lavon-dry zareo avy any Boeny, 1 no ho 0, ny Fanalamanga tamin’izany.

Hanarina
Ankoatra izay, niezaka ny hanarina ny lesoka azon’izy ireo, nanoloana ny Fosa Jr, ny sabotsy lasa teo, ny AS Ste Anne Avenir Anosy. Ny ekipan’ny Tsaramandroso FC Boeny, no hifandona amin’izy ireo, ny sabotsy ho avy izao ihany koa, eny Iavoloha ity kliobam-piangonana ity, manana vina ny handrombaka ny anaram-boninahitry ny fifaninanana nasionaly amin’ity taom-pilalaovana 2025 ity.

F.R

Partager sur: