Nambaran’ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana Marc, fa ilaina hatrany ny firaisankina sy ny tsy tokony hatahorana ka hanana fahasahiana, manoloana ny fiainam-pirenena. “Misy ny hevitra tsy mitovy, koa miantso antsika rehetra izahay mba hiray saina amin’izao mahazo ny vahoaka sy ny fahapotehan’ny firenena izao”, hoy izy, teny Imerinkasinina, tamin’ny fambolen-kazo nataon’ny Tim, ny sabotsy teo. Nentaniny ireo mpanohitra mba hampandefitra ny hambom-pony avy ho an’ny tombontsoan’ny vahoaka sy ny firenena.
Nitodika tamin’ireo mpikambana Tim ny tenany ka nambarany fa hampitomboina ny fari-pahalalana sy ny fahaizan’ny mpikatroka rehetra ary hitarina amin’ny manodidina izany. Hatao amin’ny alalan’ny teknolojia izany ka hisitraka izany avokoa ny eny anivon’ny kaominina sy ny distrika. “Loza mitatao ho antsika ny fanabadoana ka hiala amin’izany”, hoy izy.
Samy nandaha-teny avokoa, nialoha izany, ireo depiote Tim tonga tamin’izao fambolen-kazo izao. Anisan’izany ny Me Razafimanantsoa Hanitra, namafa ny feo niely. “Tsara rehefa salama ary zava-dehibe izany ahafahana miatrika ny adidy amin’ny tanindrazana… 15 taona izahay tsy niala fa teo foana… Avelao any ny resabe sy ny tsaho”, hoy izy.
Tsiahivina fa miisa 1 500 ireo zana-kazo novolena tamin’izany ary voalaza fa tsy ampy. Na izany aza, nambara fa ilaina fanaraha-maso sy fikojakojana izany fa tsy fisehosehoana fotsiny.
Synèse R.