Dahalo roa lahy, nandray anjara tamin’ny famonoana nahafaty ny ben’ny Tanàna Mangatamboahangy, distrikan’Ambatofinandrahana, no lavon’ny balan’ny mpitandro filaminana ny faran’ny herinandro teo. Tratra nandritra ny hetsika fampandriana fahalemana niarahan’ny miaramila teo anivon’ny fari-piarovana Tsiafajavona sy ny zandarimaria ary ny polisim-pirenena tany an-toerana izy ireo. Hitan’ny mpitandro filaminana tao amin’ny kaominina ambanivohitra Itremo, distrikan’Ambatofinandrahana izy ireo. Nanohitra sy nandositra ary namaly tifitra an’ireo mpitandro filaminana ka niteraka ny fifandonana tamin’ny roa tonta. Raikitra ny fifanjevoana, ka maty voatifitra izy roa lahy ireto. Tratra teny aminy moa ny fitaovam-piadiana mahery vaika: “Fusil d’Assaut” iray sy basim-borona iray ary « boîte chargeur” iray miaraka amin’ny bala miisa telo (03) izay nampiasain’izy ireo. Mitohy hatrany ny hetsika fampandriana fahalemana ao anatin’ny distrikan’Ambatofinandrahana, iarahan’ireo mpitandro filaminana manao. Toy izay koa ny fitadiavana ireo olon-dratsy nahavanon-doza ka namono nahafaty ny ben’ny Tanàna voafidy tany Mangatamboahangy. Manentana ireo tsara sitrapo hatrany ny mpitandro filaminana mba hanome loharanom-baovao marina hoentina manafoana ny asa ratsy.
Mino




