Fivato : “Tokony homena fahefana ny amin’ny filaminana ny eny ifotony”

“Raha tsy ny olom-pirenena ifotony no mandray anjara sy andraikitra amin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana amin’ny maha tompon-draharaha azy, nofinofy ihany izay tena hisiana fandriampahalemana maharitra eto amin’ ny firenena.” Io ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny fikambanana Fiaraha-mientan’ny vondron’olona afaka tomponandraikitra (Fivato), Radimbiel­son William, ny faran’ny herinandro teo, manoloana ny tsy fandriampahalemana miseholany tato ho ato. Efa ela ny Fivato no nanana volavolan-dalàna ny amin’izany, hahazoana mametraka rafitra ma­tanjaka eny ifotony. Haha­zoan’ny olom-pirenena mandray anjara feno eo amin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana, ady amin’ny fampahantrana, sns. Ny tsy rariny amin’ny endriny rehetra.
Tsapa tato ho ato fa tena efa tsy vitan’ny mpitandro filaminana irery intsony ny mampandry ny tany. Tsy hoe avy any ivelany manafika ny olon-dratsy ka mpitandro filaminana no miatrika azy. Avy ao anaty fiarahamonina ihany ny olon-dratsy. Izay no mahasarotra azy. Mazana aza ny olon-dratsy indray no lasa olona tsara: mamorona fitoriana ny olona tsara izay alefa any amin’ny mpitandro filaminana. Voafitaka ireo mpitandro filaminana, misambotra ary miafara amin’ny fitifirana aza. Toy izay mitranga any amin’ny Faritra Bongolava: misy ny voaendrikendrika hoe dahalo. Nefa mifanohitra amin’izay, ilay mpanendrikendrika no tena tambajotran’ny asan-dahalo any. “Raha tsy misy ny rafitra tena mijery ifotony manao ny fanaraha-maso ary misy lalàna tena manome fahefana an’ireo olona any ifotony, tsy ho hita izany filaminana izany”, hoy izy. Tokony homena andraikitra ny rafitra fokonolona.

R. Nd.

Partager sur: