Saika hiondrana any Mayottes : Olona 6 voasambotry ny zandary

Zaza miisa roa sy olona efatra hafa saika ho any Mayottes nosamborin’ny zandarimaria eo anivon’ny tobim-paritra Ambanja, tao Antsahampano, kaominina Ambanja, ny 1 marsa teo, tamin’ny 8 ora alina. Nahazo loharanom-baovao, nanamarina ny zava-misy tao amin’ny tokantrano iray anatin’io fokontany io ny mpitandro filaminana. Tompon’andraikitra amin’ny fandefasana ireo olona ireo ny renim-pianakaviana iray fantatra amin’ny solonanarana Ninie. Nanomana ny fiaingana, noraisim-potsiny izy enina mianadahy mianaka. Nanamafy ny iray tamin’ireo mpiondrana antsokosoko fa nikasa hihazo an’i Mayottes tokoa izy izao. Hivoaka ny Nosy, hitady fiainana tsaratsara no tanjony. Natsidiky ny zandarimaria miasa ao an-toerana, fa voararan’ny lalàna ny fiondranana antsokosoko mivoaka ny sisin-tany malagasy mihazo firenen-kafa. Herintaona sy tapany ilay zandriny indrindra tamin’ireo olona voasambotra ireo raha toa ka lehilahy 57 taona no lehibe. Vehivavy ny telo tamin’izy ireo.

Tsiferana R.

Partager sur: