Nitondra ny fanehoan-keviny momba ny fifidianana izay hitantana ny faritra ny Ceni, omaly. Tokony hirosoana izany, araka ny nambaran’Andriamarotafika Soava, mpampaka-teny.
Tokony hatao ny fifidianana izay hitantana ny faritra, raha ny nambaran’ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, teny Alarobia, omaly, raha nanontaniana ny tohin’ny fanatanterahana fifidianana manaraka taorian’ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina farany teo. Tsara hatao any amin’ny tapatapaky ny taona any ny fifidianana izay hitantana ny faritra izay. Anton’izay fe-potoana izay ny anisan’ny maha mpifidy vaventy amin’ny fifidianana loholona ireo olom-boafidy eny anivon’ny faritra. Na ny filoham-paritra na governora io, na ny mpanolotsaim-paritra. Tokony ho alohan’ny faramparan’ny taona, ao anatin’ny maintany kosa, ny fifidianana loholona, izay tapitra fe-potoam-piasana amin’ity taona ity. Mila hajaina ny fanatanterahana ny fe-potoam-pifidianana sy izay ho mpifidy amin’izany.
Mbola misy kosa ireo raharaha mampifanolana momba ny fifidianana kaominaly farany teo, eny anivon’ny Filankevi-panjakana amin’izao. Andrasana izay didim-pitsarana farany ny amin’izay kaominina haverina ny fifidianana eny, na izay efa nahavita famindram-pahefana aza, ohatra, na efa mitantana ny kaominina ny ben’ny Tanàna vao voafidy farany teo.
Mialoha izany rehetra izany, ao anatin’ny fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy (Rale) ny eny anivon’ny Ceni sy ny rantsamangaikany amin’izao fotoana izao. Taorian’ny faran’ny volana febroary teo, miverina eny anivon’ny fokontany ny lisitra. Amin’izay no anaovan’ny olom-pirenena fanamarinana ny mombamomba azy. Na izany aza, mbola afa-misoratra anarana hatrany izay tsy mbola ao anaty lisitra na izay vao feno taona. Amin’ny 15 mey vao tena mifarana ny Rale.
R. Nd.