Nametraka fanamby amin’ny fanomanana ny fandraisana ny fivoriam-ben’ny firenena eto anivon’ny ranomasimbe Indianina (COI) ny ben’ny Tanànan’ Antananarivo, Ramanantsoa Harilala. Nambarany tamin’ny fananganan-tsaina tetsy amin’ny Lapan’ny Tanàna izany, omaly. Nanteriny koa fa hiatrika fivoriana handinihana ny tetibola ny filankevitry ny Tanàna.
Naneho ny firaisankina ny any amin’ny faritra Menabe sy ny Atsimo Andrefana ny eo anivon’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny noho ny takaitran’ny rivodoza, Honde, teo. Anisan’izany ireo kaominina ambanivohitra, voakasika tanteraka. ” Manamafy ny fahavononana hanohana ny ezaka ho fitsinjovana azy ireo izahay”, hoy izy ireo.
Nambaran’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny fa mbola mitohy ny fikarohana an’ ilay “Chef service de la Chancellerie diplomatique”, i Sonanata Fanambinana Julien Dersen. Voarohirohy tamin’ny raharaha fisandohana andraikitra sy fanaovana taratasy fanomezan-dalana hosoka, hamoahana tsy ara-dalàna volamena 53,7 kg, ny 23 desambra lasa teo izy io.
Niara-namboly hazo teny Fieferamanga ireo fiangonana zandriny sy ny fiadidiana ny Repoblika. Nitarika izany ny fitaleavana misahana ny fifandraisana ara-pinoana. Nahatratra 3 000 ireo tonga niara-nisalahy namboly zana-kazo nahatratra 6 000 fototra. Mariky ny fiaraha-miasa sy sy fifanomezan-tanana eo amin’ny roa tonta hampandrosoana ny firenena izany.