SOMBIM-BAOVAO

Hitsara ny lalao hihaonan’i Guinée sy i Somalia, ilay Malagasy mpitsara, Rakotojaona Ando­fetra Avombitana, raha ny vaovao azo omaly. Tsy lalao ara-pirahalahiana akory ity tsarain’ ity Malagasy mpitsara iraisam-pirenena ity, fa fihaonana izay hiadiana ny tapakilan’ny Mondial 2026, izay hatao any Meksika.

Vokatra tsara hatreto no azon’ny ekipan’ny GNVB, miatrika ny fiadiana ny amboaran’ny Klioba tompondaka eto amin’ny faritra faha-7, any Maorisy. Samy nahazo fandresena izy ireo tamin’ny andro voalohany sy faharoa, na ny sokajy lehilahy na ny vehivavy, nanoloana ny Rodrigues (3-2) sy ny Saint Leu (3-0).

Hiditra amin’ny lalao ampahefa-dalana, ny faran’ny herinandro izao, ny fiadiana ny tompondakan’ny seksiona Antananarivo Renivohitra, taranja basikety, izay tontosaina eny amin’ny Kianja Barea Maha­masina. Anisan’ny hifandona eo amin’ny sokajy latsaky ny 16 taona, ny ASSM sy ny GNBC, eo amin’ny sokajy lehilahy.

Hotontosaina anio, ao amin’ny kianja San­tiago Bernabeu Espagne, ny lalao mandroson’ny Real Madrid FC sy ny Athletico Madrid. Fifanandrinana izay tafiditra amin’ny ampahavalon-dalan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, « Ligue des Champions  2025 ». Marihina fa samy klioba ao Espagne ny roa tonta.

Partager sur: