Sinoa mivady voatafika: jiolahy iray voatifitra, telo lahy voasambotra

Sinoa iray maty, naratra ny vadiny teny Talatamaty, ny 26 desambra 2022. Nandeha ny famotorana ka telo lahy voasambotra, omaly. Jiolahy iray maty voatifitry ny zandary.

Nifarana hatreo ny asa ratsin’ireo andian-jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana teny amin’ ny faritr’i Talatamaty. Maty lavon’ny zandary, afakomaly alina, ny iray tamin’ireo efa-dahy nanafika ny teratany sinoa mivady tao Fi­troafana, anatin’ny distrikan’ Ambohi­dra­trimo, ny alin’ ny 26 desambra lasa teo. Raikitra ny fanarahan-dia nataon’ny zandary. Vokany, telo lahy voasambotra raha toa ka jiolahy iray naman’izy ireo maty voatifitra. Natao ny fanadihadiana ka mbola nahatrarana lelavola mitetina 3 594 700 Ar teny amin’ireo jiolahy. Nogia­zana ny moto efatra novidian’izy ireo tamin’ny vola halatra nalaina an-keriny tao amin’ireo Sinoa mivady . Notanana natao famotorana ireo mpiray tsikombakomba tamin’ireto jiolahy ireto.

Vola 50 tapitrisa Ar nanjavona
Raha tsiahivina, niditra an-keriny tao amin’ireo Sinoa mivady ny andian-jiolahy nisaron-tava niaraka tamin’ny basy sy antsy lava tamin’io 26 desambra io. Nitaky ny vola tamin’ireo teratany vahiny ireo ireto jiolahy. Niezaka niaro tena ilay Sinoa lahy ka maty rehefa notrobaran’ny jiolahy antsy sy voafatotra. Naratra mafy ilay ramatoa vadiny. Nentin’ireo olon-dratsy nandositra ny vola mitentina 50 tapitrisa Ar niampy finday roa. Natao ny fikarohana ka izao niafara tamin’ny fahatrarana azy ireo izao.

Tsiferana R.

Partager sur: