Fanampiana traboina : Nidina ifotony tany Ampanihy ny filoha Rajoelina Andry

Nidina ifotony avy hatrany nijery ireo traboina noho ny rivodoza farany teo ny filoha Rajoelina Andry, omaly. Nitondra fanampiana sy nankahery azy ireo ny tenany tamin’izany.

Fankaherezana, fanolorana fanampiana… Izay ny fitsidihana voalohan’ny filohan’ny Repoblika, Rajo­elina Andry, ireo traboina any Ampanihy Andrefana, omaly, taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Honde. Niara-dia taminy ny minisitry ny Foloalindahy, ny minisitry ny Atitany, ny minisitry ny Fahasalam-ba­ho­aka, ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina. Fanehoana fa tsy kabary fotsiny fa arahina asa eny an-kianja ny fitsidihana. Ao anatin’ny hoe fanjakana manakaiky vahoaka. Ambentin-teniny ny hoe amin’ny andro sarotra no ahitana ny tena namana sy miahy ny vahoaka. Fianakaviana traboina 143 àry no nahazo fanampiana, fanatevenena ny ezaky ny BNGRC miaraka amin’ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina hatramin’ny nandraisana ireo traboina. Na­hazo vary 25 Kg ny isam-pianakaviana, voamaina 3 Kg, menaka 1 L, siramamy 1 Kg, sira roa fonosana…

Taterina amin’ny angidimby ireo fanampiana

Kaominina ambanivohitra vitsivitsy no tena voa mafy ao amin’ny distrikan’Ampanihy Andrefana. Anisan’izany An­droka sy Itampolo. Dibo-drano tanteraka, ohatra, an’ Andohipano ao Androka. No­ho ny ezaky ny tomponandraikitra sy ny mpitandro filaminana, avotra avokoa ireo mponina 60 tao. Noho ny fiakaran’ny rano, tapaka ny lalana mihazo ireo kaominina. Tsy tonga any an-toerana ny fanampian’ny BNGRC. Taorian’ny fampitam-baovaon’ny ben’ny Tanà­na, nanapa-kevitra ny filohan’ny Repoblika fa hotaterina amin’ny angidimbin’ny Tafika ireo fanampiana ho an’ny traboina amin’ireo kaominina mitoka-monina izay samy nahazo vary 400 Kg avy. Tsy nanaiky ny filoha raha tsy nitsidika ny mponina ao Itampolo sy Androka. Nankahery azy ireo izy, ary niditra an-tsehatra tamin’ny fizarana fanampiana. Notsidihiny koa ny distrikan’i Toliara I izay anisan’ny voa mafy.

R. Nd.

Partager sur: