Nitrangana haintrano goavana tetsy amin’ny fokontany Ankazomanga Tsaramasay, omaly tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany atoandro teo. Kila hotohoton’ny afo avokoa ireo trano hazo 20 isa teo an-toerana. Vokany, potika sy lasa lavenona avokoa ireo entana maro isan-karazany. Amam-polony maro koa ireo tsy manan-kialofana. Hatreto, tsy mbola voafaritra ny antony nahatonga ny loza. Ao ireo milaza fa “court-circuit” no nitarika ny voina. Ao koa ireo nanamafy fa niainga tamina afo nandrahoana sakafo izany. “Tampoka ny zava-nisy, tsy nanam-po na inona na inona izahay fa ny afo efa nijoalajoala no nanaitra anay rehetra”, hoy ny filazan’ireo nanatri-maso. Teo vao nikoropaka namoaka ny entana tao an-tranony ny fokonolona. Tao koa anefa ireo trano mbola nihidy tanteraka ka tsy voavonjy. Etsy ankilany, nahazo antso mahakasika ny tranga ny sampana mpamonjy voina etsy Tsaralalana ka namonjy teny an-toerana. “Anaty tanàna sahabo ho 400 m miala ny arabe ary efa eny akaikin’ireo tanimbary mihitsy ilay toerana nisy izany”, hoy ny fanazavana voaray. Vokany, fiara lehibe miisa telo no niasa, nampifampitohizana ihany koa ireo fantson-drano. Nananosarotra ny raharaha saingy voafehy ary tsy niitatra tamin’ireo trano manodidna ny afo. Ora iray taorian’izay kosa no maty tanteraka izany. Tsy nisy ny aina nafoy sy naratra nandritra ny voina.
Ankoatra izany, zazavavikely iray vao telo taona monja no namoy ny ainy, ny alahady teo noho ny haintrano niseho tao Mahadera Andalamahitsy, fokontany Ambodi-pont, kaominina Antsirabe Nord, distrika Vohémar. Natory irery tao amin’io trano io ity zazavavikely ity ny alin’io raha nandeha nivarotra kosa ny ray aman-dreny. Niseho anefa ny loza ka tavela sy maty irery tao amin’ilay trano izy. Rava tanteraka ihany koa ilay trano sy ny entana tao anatiny.
Henintsoa Hani