Tsy fandriampahalemana : Mirongatra ny tsatoka antsy ao Toamasina

Tsy andro mazava, tsy andro alina, andrenesana tsy fandriampahalemana isan’andro ny eto amin’ny faritanin’i Toamasina. Somary niova ny endrika hisehoany. Raha ny fanafihana mitam-piadiana no nalaza teo aloha, niova ho asa fandrobana sy fandratrana olona ankitsirano fotsiny izany ankehitriny.

Ny tsatoka antsy indray izao no fanaon’ ireo jiolahy sy/na ny ankizy ankehitriny. Saika mpianatra no tena resahina eto. Manahy amin’ny mety hipoiran’ny andian-jatovo hanao ny asan-jiolahy tahaka ny “Foroche” ny mpanaram-baovao ankehitriny.
Raha mandre sy manaraka akaiky ny tranga ny Mala­gasy maro, ireo ankizy sy tanora mihitsy ny ankabetsahany amin’ireo nahavanon-doza. Manodidina ny 12 taona – 16 taona eo izany.
Tsy mifidy horatraina fa izay mifanena dia mahazo avokoa. Raha hiverenana kely ny tranga ny 25 febroary lasa teo, nisy renim-pianakaviana iray niandry fiara haka azy hamonjy ny asany teo an-tsampanan-dalana efatra, Tanambao Verrerie, tokony ho tamin’ny 4 ora sy sasany maraina, noravana andian-jiolahy mirongo antsy.
Tapaka ny tanany ary vola 600 Ariary sy vary masaka hoentina miasa no lasan’ ireo mpanao asa ratsy. Mbola tamin’io toerana io ihany, nisy tovolahy nifoha maraina hanao fanatanjahantena hiazakazaka, nosakanan’ireo andian-jiolahy indray. Vokany, tapaka ny tanany, lasa ny finday teny aminy.
Ankoatra izay, ny zoma 28 febroary teo, tokony ho tamin’ny dimy ora hariva, nisy mpianatra ho mpitsabo mpanampy avy amin’ny sekoly tsy miankina iray hanao fanazaram-piofanana any amin’ny Hopi­talibe, voasakan’andian-jatovo maditra teny an-dalana. Tapa-tanana ihany koa, ary norobain’ ireo nahavanon-doza avokoa ny fitaovam-pianarana rehetra miaraka amin’ny finday.
Ny alakamisy 27 febroary teo koa no nitrangan’ilay mpianatra notafihan’ny an­dian-jaza mihoa-pefy teo am-panaovana baolina, avy any Mangarano. Nalentik’izy ireo tany anaty kibon’ilay nahavanon-doza ny lelan’antsy.

Mirongatra ny fitsaram-bahoaka

Taratry ny tsy fahatokisan’ny vahoaka ny lafiny fitsarana, na koa ny eo anivon’ny fitandroana ny filaminana ka mahatonga ny firongatry ny fitsaram-bahoaka. Ny alatsinainy 3 marsa teo ihany, nahitana raim-pianakaviana iray indray, niharan’ny hatezeram-bahoaka, raha tratra namaky trano tao Ambalamanasy. Nambaran’ ity voasambotry ny fokonolona ity fa noana izy, ary tsy misy sakafo ny zanany, ka ireo antony roa ireo no nahatonga azy namaky trano, mba hahafahany mitady izay ho sakafo.
Leo resaka herisetra sy fandrobana ary vaky trano sy hala-boty mahazo ny ao an-toerana ny fokonolona. Tsy nisy azo hifandaharana fa daroka, vely kaboda, totohondry no nasetrin-dry zareo, tamin’ity mpangalatra ity. Tao kosa ireo efa miady amin’ izany fitsaram-bahoaka izany ka nanavotra ary nitondra azy teny amin’ny hopitaly.
Raha tsorina, efa endrika ra mandriaka avokoa izany fitsaram-bahoaka, firongatry ny tsatoka antsy. Fehiny, sempotry ny tsy fandriampahalemana i Toamasina.

Fihanaky ny zava-mahadomelina

Amin’ny ankapobeny, maro ny mitondra fanazavana, indrindra ireo mpanabe anivon’ny sekoly eto an-drenivohitr’ i Toamasina, noho ny ray aman-dreny miraviravy tanana amin’ny fomba fitaizana sy fanabeazana ny zanany. Hany ka tsy maharaka intsony ny ataon’ny zanany amin’ny fitsindromana zava-mahadomelina etsy sy eroa. Ny ray aman-dreny rahateo koa teren’ny fahasarotam-pianana andavanandro. Vokany, lasa raisin’ny ankizy sy ireo mpianatra ho lesona ny zavatra hasehon’ny fiarahamonina azy, izay saika mibahana tanteraka ny zava-mahadomelina. Ohatra, mianatra mandihy misy andrisika, hitsangantsangana miaraka amin’ny namana misy fanalana henatra, hifetifety etsy sy eroa, misy ihany koa ny fisotroana kely sy fandraisana na fifohana miafina. Ireo rehetra ireo mitambatra no mitarika ny tanora sy zatovo, lahy sy vavy, ho lasa mpandray zava-mahadomelina gaigilahy sy gaigivavy ary mitarika amin’ny fahasahiana manindrona antsy olona. Vokany, tao anatin’ny herinandro monja, efa olona miisa dimy naratra vokatry ny tomboka antsy  etsy sy eroa ary mitondra takaitra mandra-pahafaty satria ao ny niala mihitsy ny rantsan-tanana. Manoloana ireo rehetra ireo, tsy nijery fotsiny ireo niharam-boina ny ben’ny Tanànan’i Toamasina, Randriafa­nomezantsoa Lovaheritiana Alain. Tonga nitsidika ireo naratra teny amin’ny hopitaly ny tenany ary nilaza fa horaisiny manontolo ny fandaniana amin’ny fitsaboana. Akilany, nohamafisiny fa efa ao anatin’ny fandinihana ny paikady maharitra ho an’ny fandriampahalemana ny tenany sy ny ekipa miaraka aminy ary ny fitandroana ny filaminana.

Nanatontosa : Sajo

Partager sur: