CUA sy ny skoto : Nanao soniam-piaraha-miasa

Tontosa omaly, tetsy Mahamasina, ny fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny fikambanan’ny skoto rehetra (miisa valo) eto Madagasikara. Niray hina sy niray saina izy ireo mba hifanome tanana amin’ny kaominina mahakasika ny fanentanana ny mponina amin’ny fanabeazana olom-pirenena. Eo koa ny fifanomezan-tanana manoloana ny fiakaran’ny rano sy fandraisana an-tanana ny traboina sy marefo. Mihoatra ny 1 200 ny skoto nifanome tanana tamin’ny BNGRC sy ny kaominina ary ny teo anivon’ny minisiteran’ny Mponina nandritra ireny voina nandalo ireny. “Misy ny andrasana amin’ny kaominina, misy koa ny tolo-tanana omen’ireo skoto eto Madagasikara”, hoy ny ben’ny Tanà­nan’Antananarivo Renivohitra, Ramanantsoa Harilala.
“Hahafahana mampiorina ny fotom-panabeazana ho an’ny ankizy sy ny tanora ny fisian’ny fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa tahaka izao”, hoy ny Dr Razafimandimby Andrianjaka Rado, filoha iombonan’ny mpamakilay eto Madagasikara. “Zavatra mivaingana ny famenoana ny fanabeazana omen’ny sekoly sy ny sehatra maro samihafa mahakasika ny fanabeazana olom-pirenena vanona”, hoy hatrany izy.

Mino

Partager sur: