Fiaraha-miasa : Hizara traikefa amin’ny Tafika Malagasy i Tiorkia

Nandray ny masoivohon’i Tiorkia miasa sy monina eto Madagasikara, Ishak Ebrar Çubukçu, ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN), ny Jly Rakotoarijaona Josoa, afakomaly, teny Ampahibe. Ni­voitra tamin’ny fihaonana fa efa nahazo tombony ta­min’ ny fampiofanana tany Tiorkia ny Tafika Malagasy. Nison­ga­dina tamin’ny lahadiniky ny roa tonta nandritra ny fihaonana rahateo ny hana­tsarana ny fifandraisana sy ha­nama­fisana ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasi­kara sy Tiorkia, indrindra ny fanohizana ny fifampizarana traikefa eo amin’izany sehatra ara-tafika izany. “Tsy vao izao fa efa nisy hatrany ny fanohanan’ny firenena Tiorkia ny Tafika Ma­lagasy. Maro ireo Tafika Ma­lagasy no efa nandranto fiofanana tany an-toerana izay mi­dika fa vonona hifanome tanana amintsika izy ireo”, hoy ny fanazavan’ny MDN. Nohara­raotin’ity ma­namboninahitra ity koa ny raharaha Ankatso. Nohitsiny fa tsy fanarahan-dalàna izany fiantsoana ny tafika ro­sianina ho avy eto amintsika izany. “Tsy fanarahan-dalàna izany ary tsy fa­najana ny vahoaka malagasy, tsy fanajana ny fiandrianam-pirenena indrindra fa ny Tafika Mala­gasy”, hoy izy. Mahaleo tena i Madagasika­ra ka tsy hidi­ran’iza na iza. Ao anatin’ny fanomanana ny Lalaon’ny Nosy isika izao, miantso ny rehetra fa voninahitra ho antsika ny fahavitan’izany. Aja­no­­ny ny adilahy politika sy fijerena loko politika, araka ny nambarany. Manao izay ho afany ny mpitandro filaminana amin’ny fametrahana fandriampahalemana na an-drenivohitra izany na ambanivohitra.

Jean Claude

Partager sur: