Depiote Rabenirina Jean-Jacques: “Tsy manana sora-bola hamonjena traboina izahay”

“Aoka hazava ny an­draikitry ny tsirairay manoloana ny fisian’ny traboina. Izahay solombavambahoaka dia tsy manana sora-bola natokana ha­monjena ny olona traboina toy izao”. Io ny fanehoan-kevitry ny depiote voafidy tany Betioky Atsimo tamin’ny anaran’ny vondrona Firaisankina, Rabenirina Jean-Jacques, teny Tsimbazaza, omaly, ny amin’ny famonjena traboina. Raha misy ny mahita an’izay sora-bola izay ao anatin’ny toe-bolan’ny Antenimieram­pirenena, mitsanganà izy. Ny hany azon’ny solombavambahoaka atao raha misy izay voatsirambin’ny tanana na izay any am-paosy. Ny andraikitra amin’ny maha solombavambahoaka dia tsy maintsy mitondra ny fitarainan’ireo vahoaka any amin’ny fahefana mpanatanteraka. Man­draka androany, tsy mbola misy fanampiana tonga any Betioky Atsimo, araka ny nambarany. Manao antso avo ny fitondrana izy amin’izany.
“Amin’izao, betsaka ny ankizy tsy mianatra”, hoy izy. Satria mirodana ny sekoly. Ny ao amin’ny kaominina Soa­manonga, ohatra: ny fokonolona ihany no nanao ny sekoly izay biriky tany. Tratran’ny orana izany dia nirodana. Nihotsaka ny tranon’ny Lycée sy ny CEG. Tsy misy fampianarana amin’izao. Momba ny ao an-tampon-tanàn’i Betioky Atsimo manokana, mahatratra 1 641 ny isan’ny traboina. 70 tafo ny trano rava, ary 96 ny tafo niala fa tratran’ny rivotra. Ankoatra an’izay, difotry ny rano ary betsaka maty ny biby fiompy. Etsy andaniny, ny aretina, ny lalana tapaka mampanahy an’Ampanihy sy i Be­tioky…

R. Nd.

Partager sur: