Holafitry ny mpisolovava : “Maimaimpoana ny fiarovana ny marefo”

Nifarana omaly, tetsy Anosy ny fikaonandoha iraisam-pirenena eo amin’ireo mpisolovava. Anisan’ny nandray anjara tamin’izany ny avy amin’ny Holafitry ny mpisolovava eto Madagasikara.

Nambaran’ny lehiben’ny Holafitra, ny Me Raondry Alain, fa mandrotsaka latsakemboka ny fanjakana ho amin’ny lafiny fiarovana. “Maimaimpoana ny fahazoan’ireo marefo mpisolovava raha ny voalazan’ny lalàna amin’ny ady madio. Anjaran’ny fanjakana ny manampy azy ireo amin’ny fampidirana ny raharaha eny amin’ny fitsarana”, hoy izy. Misitraka mpisolovava koa ireo eny amin’ny ady heloka ka nenjehina ka migadra 5 taona. Tsy maintsy mahazo mpiaro ho azy koa ireo eny amin’ny heloka bevava, araka ny nambarany hatrany.
Etsy andaniny, anisan’ny nambarany ny sosokevitra halefa eny amin’ny parlemanta ny amin’ny tokony hitsaran’ny filohan’ny Holafitra teo aloha ny mpisolovava iray raha nanao hadisoana. Efa tsy mety intsony ny amin’izao fotoana izao fa sady manadihady no mitsara ary manasazy ilay mpisolovava ny eo anivon’ny biraon’ny Holafitra. “Mijanona ho mpanenjika fotsiny ihany sisa izahay raha io tolokevitra io fa tsy tahaka ny ankehitriny intsony”, hoy ihany izy.
Ady amin’ny kolikoly

Etsy andaniny, nanambara ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis, fa mety hiantraika amin’ny raharaham-pitsarana sasany ny fikitihana lalàna. Na izany aza, nanteriny fa misokatra ho amin’ny fifanakalozan-kevitra rehetra takin’izany fanatsarana izany ny asan’ny mpisolovava ny eo anivon’ny minisitera. “Mba ho tombontsoan’ny fitsarana sy ny vahoaka”, hoy izy.
Niantso ny eo anivon’ny holafitra ny minisitra ny amin’ny hiadiana amin’ny kolikoly.

Synèse R.

Partager sur: