Sampandraharahan’ny Fananantany: Nomen’ny MFFT fitaovana ny any Maevatanàna

Midina ifotony hatrany ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) amin’ny alalan’ny sampandraharaha eo aminy. Anisan’ izany ny misahana ny fananantany (DGSF). Nitsidika ny biraon’ny fananantany tany Maevatanàna izy ireo, omaly. Anisan’ny anton’izany ny fijerena ireo olana sy ny hitondrana vahaolana eny ifotony manoloana ny fananantany. Tafiditra ao anatin’izany ny lafiny fampitaovana sy fanomezana ho an’ny birao na sampandraharaha any an-toerana. Anisan’izany ny fanaka sy ny birao ho an’ny arsiva ary koa ny kojakoja araka informatika. “Natao izao mba hanatsarana ny asa eo anivon’ny sehatry ny fananantany”, hoy ny avy eo anivon’ny GDSF. Miara-miasa amin’izy ireo sy anisan’ny nanolotra izany ny misahana ny fampitaovana sy ny vakoka DLP. Teo koa ny amin’ny Tahirim-pirenena ho an’ny fananantany (FNF). Nanentana ny rehetra sy nampahafantatra ny andraikiny eo amin’ny fanavaozana sy ny fanatsarana ny tontolon’ny fananantany, amin’izao fotoana izao.
Tsiahivina fa anisan’ny manohana izao fandaharanasa izao ny avy amin’ny GIZ sy ny tetikasa “Projet PROPFR”, amin’ny alalan’ny Fandaha­ranasam-pirenena momba ny fananantany andiany faharoa, “Programme National Foncier II – PNFII 2025-2030”. Ma­ma­ritra ny paikady amin’ny fitantanana ny sehatry ny fananantany ato anatin’ny enin-taona ho avy izy io.

Synèse R.

Partager sur: