Depiote Randrianasolo Jean Nicolas : “Aleo mifampiresaka fa tsy hidina an-dalambe”

“Tsy laharam-pahamehana intsony ny hoe fitakiana na filazan-javatra dia hitaona ny olona hidina an-dalambe. Ny olana : izay manana fahefana tsy mihaino ny olona manakiana azy amin’ny ataony sy izay tsy tsapan-dry zareo”. Io ny fanehoan-kevitry ny depiote tsy miankina voafidy tamin’ny anaran’ny antoko GJMP tany Betroka, Faritra Anosy, Randrianasolo Jean Nicolas, tao amin’ny haino aman-jery tsy miankina iray, ny faran’ny herinandro teo, manoloana ny raharaham-pirenena. Tokony hatao lesona: izay manana fahefana mba tokony hihaino izay tsy manana fahefana. Raha misy zavatra toy izao: tokony hisy fifampidinihana an-databatra boribory. Maro ny zavatra tokony hodinihina amin’izany. Inona ny vahaolana? Tokony hiditra amin’izay fifampidinihana izay koa ny raiamandreny ara-panahy.
Tsy misy mahazo tombontsoa eto, na ny mpanohitra na ny mpitondra, raha misy korontana na ady. Tokony hifampihaino hatrany… Ma­nana andraikitra avokoa na ny mpitondra na ny mpanohitra. 93% amin’ny olona eto Madagasikara izao no sahirana. Na ireo mpandraharaha aza, sahirana. Nambarany fa tsy mpanatanteraka fa parlemantera ry zareo, mahatsapa ny fahasahiranam-bahoaka. Zo ny mifanatona mba hiara-misalahy hoe: inona no hamahana ny olana eto Mada­gasikara hiadanan’ny vahoaka? Tsy milamina ny politika eto Madagasikara, fa misy tokony halamina. Toy ny afon’ampombo ny politika, tsy hita ivelany. Any anatiny any, manjary miforona hatrany… Sanatria, hisy rotaka hakana fahefana. Hisorohana an’izany, aleo mifampiresaka dieny tsy mbola misy izay afon’ampombo izay.

R. Nd.

Partager sur: