FANTINA sy FINTINA

Samy nandefa solontena nankalaza ny 8 marsa niaraka amin’ny vehivavy Tim Analamanga ireo avy amin’ny distrika manodidina, ny sabotsy teo. Nomarihina tamin’ny alalan’ny diabe, niainga teny amin’ny foiben’ny antoko teny Bel Air izany ary nihazo ny teny amin’ny Magro Behoririka. Nisy ny fizaham-pahasalamana maimaimpoana tamin’izany.

Hentitra sy nahitsy ny lahatenin’ny mpanolotsain’ny tanàna, Raharinirina Clemence, tamin’ny fanamarihana ny 8 marsa teo. « Ilaina ny vehivavy vonona sy sahy ary matahotra an’Andriamanitra», hoy izy.  Nambarany fa tia tanindrazana sy mahery fo ny vehivavy Tim na eo aza ny olana sy sakantsakana samihafa.

Nanao fanambarana ny renin-dRasazy Narindra, ny faran’ny herinandro teo, nitaky ny hamoahana ny zanany, anadahin’ny ben’ny Tanàna, maty voatifitra. Nampidirina vonjimaika eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy ity farany, ny herinandro teo. Takiny koa ny hamoahana ny sary sy anaran’ireo olona 17 hafa voarohirohy tamin’ny raharaha famonoana an-dRasazy Narindra.

Anisan’ireo nandray anjara tamin’ny fanadiovana ny torapasika sy ny fambolena voanio teny amin’ny « Village touristique » ireo vehivavy tomponandraiki-panjakana, ny 6 marsa teo. Nanatanteraka izany koa ireo vadin’ny lehiben’ny Andrimpanjakana sy manam-pahefana isan-tsokajiny. Nitarika izany ny vadin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Mialy.

Partager sur: