Tontosa ny alahady 9 marsa teo, tetsy amin’ny Kianja Malacam Antanimena ny manasa-dalana hiadiana ny ho tompondakan’ny seksiona marovatana, taranja rugby. Tafita hiatrika ny famaranana ny Polisy monisipaly Antananarivo Renivohitra. Resin’izy ireo, tamin’ny isa 13 no ho 11, ny Zaami Ankasina. Nambaran’ny kaomisera Ostrom fa anisan’ireo taranja misy ao amin’izy ireo ny rugby ary tezaina amin’izany ireo polisy monisipaly mba hatanjaka satria hiankinan’ny asan-dry zalahy izany. “Raha marefo izy ireo, ataony ahoana ny hahatontosa ny asany”, hoy izy. Tanora ny ankamaroan’ireo Polisy monisipaly ka beazina amin’ny fanatanjahantena ho salama fa tsy sanatria hirona any amin’ny fidorohana zava-mahadomelina na zavatra hafa.
Nomarihin-dRamanandraibe Bako, tomponandraikitry ny fanatanjahantena eo anivon’ny Polisy monisipaly fa tanjona ny hiatrehana ny “Top 20”. Manampy betsaka azy ireo amin’ny fanatanterahana ny asa ny fanaovana rugby satria tandroka aron’ny vozona izy ireo ary hanamafisana ny fitsipika sy fifehezana. Notsiahiviny fa niforona tamin’ny taona 2012 ny rugby Polisy monisipaly ary nifaninana tany Ambohidratrimo sy Sabotsy Namehana. “Mbola miandry ny fotoana mampalalaka ny kianja ny famaranana, hikatrohan’ny Polisy monisipaly sy ny Fifita Anosivavaka”, hoy Rakotomalala Richard, filohan’ny seksiona Marovatana.
Tompondaka