Volley Afrika- sokajy lehilahy: Hanoman-tena mafy ny GNVB

Taorian’ny niatrehana ny fiadiana ny amboaran’ny klioba tompondaka eto amin’ny faritra faha-7, taranja volley-ball, natao tany Maorisy farany teo, tafakatra hiatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika ny ekipan’ny GNVB (Gendarmerie nationale de volley-ball), sokajy lehilahy. Fifaninanana izay hatao any Lybie, ny 17 hatramin’ny 30 avrily izao. Nambaran’ny filohan’ny klioban’ny GNVB, ny kolonely Fortunat, teny Ivato, fa hanoman-tena mafy ny GNVB. Notsipihiny mazava anefa fa mianto-tena tanteraka ny GNVB amin’ny fiatrehana fifaninanana iraisam-pirenena toy izao, ka mikitika ny sain’ny malala-tanana hifanohana amin’izy ireo. Nanamafy izany ihany koa ny filohan’ny Federasiona malagasin’ ny volley-ball ary niantso ny fanjakana mba hanohana azy ireo amin’ny hoenti-manana.
Naneho ny heviny mahakasika ny lalao natrehin’ny GNVB ny filohany, kolonely Fortunat. Nambarany fa nanana fahafahana ny hahazo ny amboara ny Malagasy. Tsy nisy mpifanandrina natahorana na iray aza, hoy ny fanazavany. Iny anefa, hoy izy, ny vokatra ka ho harenina ny lesoka. Nanamafy izany ny mpilalaon’ny GNVB, sokajy vehivavy, i Hobisoa Nandria­nina, fa azo resena avokoa ny mpifanandrina saingy olana ny tsy fitovian’ny traikefan’ny mpilalao teny ambony kianja sy ilay fiarahana tsy mbola ampy, izay no lesoka. Efa manamboatra ny ekipa indray anefa izao ny GNVB ka antenaina fa ho matihanina tanteraka izy ireo amin’ny fifaninanana manaraka.

Mi.Raz

Partager sur: