Fitantanana ny eny anivon’ny kaominina : Nofanin’ny MFFT ireo mpiandraikitra eny ifotony

Nanomboka omaly ary haharitra hefarana ny fampiofanana ireo ho mpampiofana ho amin’ny fampandrosoana eny ifotony. Iarahana amin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny any (MFFT) izany ary tantera­hina etsy amin’ny FDL Anosy.

Nambaran’ny tomponandraikitra fa hatao izao mba hanamafisana ny fahaiza-manao teknika sy ara-panabeazana ho an’ireo voakasika. « Hahafahany manohana amim-pahombiazana ny kaominina amin’ny fametra­hana ny Rafitra ifotony ny fi­kaonandoha (SLC) sy ny fandraisan’anjaran’ ny fiarahamonim-pirenena », hoy izy ireo. Nan­terin’ny eo anivon’ny MFFT fa ho amin’ny fampiroboroboana ny fitantanana man­garahara sy iaraha-manapa-kevitra koa izao fampiofanana izao.
Tafiditra ao anatin’izany koa ny famolavolana ny Dra­fitra fampandrosoana ifotony tsy manavaka iombonan’ny sehatra rehetra (PDLII) amin’ ny alalan’ny fandraisana an-tanana ny olan’ny tontolo iainana. « Hatao laharam-pahamehana amin’ny famolavolana io PDLII io ny fampidirana ireo fepetra sy paikady hiatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro, ka hanome toky fa haharitra sy mifanaraka amin’ny zava-misy eny anivon’ny vondrom-bahoaka izany », hoy ny eo anivon’ny minisitera.

Fametrahana fitantana mahomby
Manampy izany ny fampidirana ny foto-pitsipiky ny fomba fanofanana natao ho an’ny olon-dehibe amin’ireo mpisehatra ifotony.
Nambaran’ny eo anivon’ny MFFT fa tanjona kendrena amin’izany ny hanomezana fahalalana sy fitaovana ma­tanjaka ho an’ireo mpampiofana mba ho afaka manohana sy manampy amin’ny fitantanana mahomby sy maharitra ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana izy ireo.

*
Synèse R.

Partager sur: