Navoakan’ny mpanazatra Martins Corentin, omaly, ny anaran’ny mpilalao 26 mirahalahy, handrafitra ny Barea. Efatra no avy eto an-toerana. Hihazo an’i Maroc amin’ny zoma izao izy ireo.
Nambara tamin’ny fomba ofisialy, omaly, tetsy Isoraka, ny anaran’ireo mpilalao 26 mirahalahy mandrafitra ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar, nantsoin’i Corentin Martins, mpanazatra ny Barea. Anisan’ izany i John Baggio, mpilalaon’ny Sukhothai FC Thailande. Tsiahivina fa efa tamin’ny folo taona lasa, ny taona 2015, no nilalaovany farany tao amin’ny ekipa nasionaly. Ankoatra azy, tazana ao ihany koa i Melvin Adrien, mpiandry harato izay efa tsy niatrika lalao maro niaraka tamin’ny Barea noho ny ratra nahazo azy. Araka ny fanadihadiana natao, ny zoma ho avy izao no handeha ho any Maroc ny ekipam-pirenena Barea.
Raha ny filazan’ny Coach Corentin, ho feno ny isan’ireo mpilalao ireo, any Maroc, ny alatsinainy ho avy izao. Ankoatra izay, tsy tazana ao anaty lisitra ry Kenji Van Boto sy i Johan N’Zi. Tsiahivina ihany fa miisa efatra ireo mpilalao avy eto an-toerana nantsoina handrafitra ny Barea. Toa an-dry Dax, Fosa Juniors Fc; Rado, AS Fanalamanga; Lalaina,, CFFA Andoharanofotsy; i Tony, Elgeco Plus.
Ampahafantarina fa any Maroc no hatao ny lalaon’ny Barea. Hifandona amin’i Centrafrique sy i Ghana izy ireo mandritra ity andro fahadimy sy fahenina amin’ny fifanintsanana “Mondial 2026” ity.
Fitia Randria
Lisitr’ireo mpilalao voaantso Barea
Mpiandry harato : Sonny Laiton (FC Avenir Beggen – Luxembourg), Geordan Dupire (Swift Hesperange – Luxembourg), Razakanirina Rakotohasimbola (AS Marsouins), Adrien Melvin( Thonon Evian – France)
Vodilaharana : Thomas Fontaine (FC Sochaux – France), Louis Démoléon (Enna – Italie), Harisson Marcelin (Beitar Jerusalem – Israel), Rajo Razafindrabearimianta (St Denis FC – La Réunion), Tony Randriamanampisoa (Elgeco Plus – Madagascar), Morgan Jean Pierre (US Orléans – France), Thierno Millimono (Othellos Athienou – Chypre), Mathieu Acapandié (FC Nantes – France), Radoniaina Rabemanantsoa (AS Fanalamanga – Madagascar).
Mpilalao afovoany: Marco Ilaimaharitra (KV Kortrijk – Belgique), Rayan Raveloson (Young Boys – Suisse), Clément Couturier (FC Villefranche – France), Tommy Iva (US Orléans – France), Loïc Lapoussin (Saint-Trond – Belgique ), Andrianarimanana Arohasina ( Fosa Juniors FC – Madagascar ), Lalaina Rafanomezantsoa ( CFFA – Madagascar )
Lohalaharana : John Baggio (Sukhothai FC – Thailande), EL Hadary (Paris FC – France), Arnaud Randrianantenaina ( EL Gouna FC – Egypte ), Samuel Noireau Dauriat ( EA Guingamp – France ), Njiva Rakotoharimalala ( Ratchaburi FC – Thailande ), Hakim Abdallah ( FC Dinamo Bucarest – Roumanie ), Warren Caddy ( Stade Lausanne – Suisse ).