Hotontosaina ny sabotsy 22 marsa ho avy izao, eny amin’ny faritra Avaradrano, ny fifaninanana hazakazaka mitety natiora, « Trail Aina no fetra ». Hizara roa ny sokajin-dalao: ny 12 km sy ny 35 km. Marihina fa eny Antsahamarofoza ny toerana hiangana ho an’ireo mpifaninana.
Nanainga omaly, teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ny ekipa malagasy Ankoay, lahy sy vavy, hiatrika ny fiadiana ny amboara maneran-tany basikety 3×3. Fifaninanana izay hatao any Thailande, manomboka rahampitso 14 marsa hatramin’ny 16 marsa izao. Efa fantatra ny fandaharan-dalao rehetra.
Hiditra amin’ny lalao ampahavalon-dalana, anio, ny fifaninanana “XXL Smatchin by Be Connect”, taranja basikety, tontosaina etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Nafana ny fifanintsanana isam-bondrona ary tena nisongadina ireo sekoly avy amin’ny faritra nandray anjara.
Tafita hiatrika ny lalao ampahefa-dalan’ny « Ligue des Champions 2025 », ny ekipan’ny Paris Saint Germain France, afakomaly. Lavon’izy ireo tao Anfield, ny Liverpool ekipa anglisy mpampiantrano. Ankoatra azy ireto, hiakatra amin’ny dingana manaraka ihany koa ny klioban’ny Bayern Munchen FC, ekipa Alemà, sy ny Inter de Milan, Italie, ary ny FC Barcelone, Espagne.